Ny "zava-miafin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra" (mystère de la piété) (Elysé Azrael)
Pejy 2
Faharoa, dia tokony "hamoa voa miendrika ny fibebahana" isika. Ireo lazain'i Paoly Apostoly hoe: "vokatry ny Fanahy" (fruits de l'Esprit), toy ny fitiavana, fahononam-po, fandeferana, sns dia anisan'ny mystère de piété ihany koa. "Voa tsara" no takian'ny Tompo amintsika, dia voa masaka tsara, matoy tsara, mamy tsara: izany hoe voafaoka amin'izany avokoa ny fahamatorana ara-panahy (maturité spirituelle) sy ny asa vokatry ny finoana ("maty ny finoana tsy arahin'asa"). Tsy ampy ny mamoa voa miendrika ny fibebahana, fa misy "fahamasahana ara-panahy" sy fiorenana ara-panahy. Tsy maintsy miorina ara-panahy isika, satria tsy maintsy manao ny fomba rehetra hanozongozonana ny "vokatry ny fanahy" eo aminao ny devoly, ka halefany avokoa ny: fakam-panahy, tafio-drivotra, fanenjehana, sns. Izay tsy miorina dia tsy maintsy "mihintsana". Zavatra mafy amin'ny tsy miorina sy tsy masaka ara-panahy ny fiainam-pahamasinana, fa kosa fiainan'ny olona mibebaka sy nateraka indray. 
Hametraka hevitra
Midira aloha