Perikopa FLM Mat 5:1-12 (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 11
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 1
Tsy mitovy amin’ny famaritan’ny Katolika azy ny famaritan’ny SM ny hoe “olona masina”: ara-tSM mantsy dia ny vita Batisa rehetra sady mino an’i Jesosy Tompo no antsoina hoe olona masina, ary ny olona masina no mandrafitra ny atao hoe Fiangonana. Izany hoe tsy olona tsy mandia tany na olona heverina fa miakatra velona any an-danitra akory  ny olona masina, fa ny olona rehetra (efa maty sy mbola velona) izay manana an’i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainany. Izany hoe mitovitovy hevitra ny hoe “mpianatra, Kristiana, olona masina”.
Raha ny tena izy izany dia fetintsika ity Alahady fahatsiarovana ny olona masina ity, ary mampametra-panontaniana hatrany ny amin’ny maha Kristiana antsika, sy ny tanjontsika amin’ity fivavahana sy fidirana am-piangonana ity. Ary raha itodihana ity texte anjarantsika ity dia hita fa iresahan’i Jesosy ny mahakasikasika izany atao hoe olona masina izany. Ireto fanontaniana ireto ary no hamakafakantsika izao Tenin’Andriamanitra izao: VOALOHANY, INONA NO CRITERES AMANTARANA FA OLONA MASINA NY OLONA IRAY ARAKA ITY TEXTE ITY? FAHAROA, MAHAFENO IREO CRITERES IREO VE ISIKA KRISTIANA ANKEHITRINY?
VOALOHANY, INONA NO CRITERES AMANTARANA FA OLONA MASINA NY OLONA IRAY ARAKA ITY TEXTE ITY? Araka ny voalaza teo dia ny fananana an’i Jesosy irery ihany no maha olona masina na tsia! Rehefa manana Azy ho  Tompo sy Mpamonjy ny fiainanao  ianao dia olona masina, ary rehefa tsy manana an’i  Jesosy ianao dia tsy olona masina:izay ihany, ary rehefa tsy olona masina dia VERY! Ahoana hoy Jesosy? IZAY MINO SY…. NO HOVONJENA. Ka ianao mpiditra am-piangonana io, ianao manana andraikitra ato anatin’ny Fiangonana io, ny tenanao no anontanio voalohany indrindra raha toa ka olona masina ianao na tsia: ekena fa efa vita Batisa ianao, FA AHOANA KOSA NY FINOANAO AN’I JESOSY SY NY FIAINANAO IZANY FINOANA IZANY? (Ny finoana mantsy diamiteraka ASA). manana an’i Jesosyv manana an’i Jesosy Sao sanatria ka mpiandry ianao fa tsy manana an’i Jesosy? Sao komity ianao fa tsy  manana an’i Jesosy? Sao vita Batisa ianao  fa tsy  manana an’i Jesosy?
Voalohany, ny olona manana an’i Jesosy dia mora fantatra na dia ety ivelany aza, ary endrika hita taratra ety ivelany avokoa ireto lazain’ny SM ireto: malahelo am-panahy, ory, malemy fanahy, noana sy mangetaheta ny fahamarinana, miantra, madio am-po, sns, KANEFA MANANA FAHASAMBARANA. Izany hoe miaina ao anaty fahoriana ny olona masina eto amin’izao tontolo izao, kanefa mahatsiaro sambatra tanteraka. Satria nahoana? SATRIA MANANA  AN’I JESOSY. Rehefa manana  an’i Jesosy  isika, rehefa mino Azy, dia ara-bakiteny ilay voalazan’ny Gal 5 hoe: “mandeha  araka ny Fanahy”, ary hita eo amintsika avokoa ireo “voa miendrika ny fibebahana” na “ireo vokatry ny Fanahy” voalaza ao amin’ny Gal 5 dia ny fitiavana, fahamoram-panahy, fahononam-po, sns. Ny olona masina na olona manana an’i Jesosy izany dia mora fantatra na amin’ny fandehany aza: jereo ange ireny olona miaingainga be ireny rehefa mandeha e? ny ankamaroan’ireny dia tsy manana an’i Jesosy; ny mpandrefy lalana? Olona manana an’i Jesosy ve ireny? Hita eny amin’ny fofona eny aminy aza: tsy mamofona toaka ny olona manana an’i Jesosy, tsy mamofona rongony ny olona manana an’i Jesosy, tsy mamofona sigara ny olona manana an’i Jesosy….
11

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.033