Perikopa FLM Mat 5:1-12 (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 13
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 2
Faharoa,  ny olona masina dia tsy maintsy voaenjika, tsy maintsy iharan’ny fanenjehana. Amin’izao fotoana izao dia misy firenena 5 eto an-tany (anisan’izany Arabie Saouudite, Yemen, sns), izay tena mbola manenjika mafy izay olona mivavaka amin’ny fivavahana Kristiana, ary tena voaheloka ho faty amin’ny fomba mahatsiravina raha any amin’izany firenena izany ianao no tratra mivavaka. Farafahakeliny dia tsy maintsy voailikilika, voaeso, iharan’ny tondro molotra. Anisan’izay zavatra mpahazo matetika ny olona  manapa-kevitra ho mpiandry ohatra dia ny tsy fahafahana mandova ny tany. Tonga dia esorina tsy ho mpandova. Tena marika goavana amantarana ny tena olona masina ny fanenjehana, ary mampametra-panontaniana aza, tena mampieritreritra raha Kristiana ianao KANEFA TSY MBA VOAENJIKA MIHITSY. METY HO KRISTIANA FOPLA IANAO! METY HO OLONA MASIMASINA IANAO FA TSY TENA OLONA MASINA! Ahoana hoy Jesosy ao amin’ny Marka 13:13? “Ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako”. Kanefa “Sambatra ianareo raha haratsin’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany ratsy anareo noho ny Amiko” hoy Jesosy.
FAHAROA, MAHAFENO IREO CRITERES IREO VE ISIKA KRISTIANA ANKEHITRINY?Teo amin’ny Tantaran’ny Fiangonana dia hita fa betsaka ny nanana fahamasinam-piainana raha ny Kristiana taloha: nifanampy tao anatin’ny sarotra, nifankatia fatratra, nanetry tena fatratra, ary tsy azo  nohozingozonina na dia tao anatin’ny sarotra aza, na dia nambanana antsy teo amin’ny tendany aza, ary namela heloka hatramin’ny fahavalony aza. Ohatra amin’izany dia tadidio Stefana Martiora voalohany, ry Rasalama  Martiora teto Madagasikara. Fa raha amin’izao no miverina ireny fanenjehana mivaivay taoha ireny,mba hanao ahoana re isika e? Mampalahelo fa betsaka no handa ny finoana marina,  betsaka no handà an’i Jesosy, ary ho tanteraka aminy ny Teniny hoe:  “na zovy na zovy  no mandà ny tenako mbamin’ny teniko, dia ho menatra azy kosa ny Zanak’olona eo anatrehan’ny anjelin’ny Raiko izay any an-danitra”.
Mampalahelo tokoa fa tanteraka ara-bakiteny ny Tenin’Andriamanitra hoe: “izay manao  ny tsy marina aoka mbola  hanao ny tsy marina ihany, izay maloto aoka hihaloto ihany, ary  izay marina kosa aoka hihamarina ihany, ary izay masina aoka hihamassina ihany” (Apo 22:11). Ary amin’izao fotoana itenenana  izao dia tsy ny Jentilisa loatra  intsony aza no miaina anaty lotom-pahotana sy manenjika ny olona masina, fa olona ao anaty Fiangonana aza no betsaka: ao anaty fianakaviana ao ihany no misy olona milaza tena ho Kristiana anefa manakana ny olona te hanao mpiandry, mpivavaka tsy tapaka ao am-piangonana ary matetika dia komity sy mpiandry ihany no mpanakorontam-piangonana, matetika dia Pastora namanay ihany no mamotika anay  Pastora satria toa tsy asan’i Jesosy intsony no atao fa rasina ho “concurrent” na mpifanina atahorana ny Pastora iray dia itadiavana hevitra gauche/droite izay haminganana sy hamotehana azy, matetika dia olona mitady seza,olona tsy vonona ny hifamela heloka, tsymifandevi-maty, sns no mameno Fiangonana…
Ry havana ô! Raha hoavy Jesosy eny amin’ny rahon’ny lanitra, hahita finoana ety ambonin’ny tany ve  Izy? Hahita olona masina ety ambonin’ny tany ve Izy? Aoka isika hihatsara isan’andro isan’andro amin’ny fitondrantena masina, Raiso Jesosy hoTompo sy Mpamonjy ny fiainanao! Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao, dia homen’i Jesosy anao ny satroboninahitra fiainana.
13

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1115