Tantara an'onjam-peo (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 7
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 1
Feon-kira mampahatahotra, lohateny mampahatahotra: fitiavan-dolo, Angarahara, Herin'ny maizina, Avelo, Rova mainty, sns: RAZANABARY Voahangilalao Joséphine izay! Mpanoratra matihanina tao amin'ny RDB no nahafantarako azy, ary nitaiza ny fahazazako sy ny hatanorako ny asa sorany. Torak'izany koa ny tantara nosoratan'i ALINE Robertine, SOJA Marie Yolande...
Hatramin'ny nisian'ny Youtube sy ny Carte mémoire, dia niparitaka maneran-tany ny tantara an'onjam-peo, ary lasa olo-malaza tokoa ny mpilalao tantara, toa an-dry Faly, Vanintsoa, Christophe RABEARIMANANA, Nanja Razafindrakoto...
Ny karazan-tantara ankafiziko dia ny tantara miseho any anaty ala, mampangitakitaka sy mampahatahotra kanefa koa mampanonofy: anisan'ny nitiavako manokana ny FITIAVAN-DOLO izany. Mampanonofy ery ny hatsaran'ilay tovovavy miakanjo fotsy lava sady fotsy fihodirana mamirapiratra anaty alim-bolantsinana, kanefa mampivarahontsana fa matoatoa mampandro anao anaty fasana masiaka lolo io tovovavy io!
7

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.022