Toriteny ALAHADY X MANARAKA NY TRINITE (LIOKA 16:1-10) (Elysé Azrael)
Pejy 1
Inona no maha mpitandrina tsy marina ity lehilahy ity? Satria tsy nahatoky tamin'ny fitandremam-pananana izay niandraiketany izy. Ny atao hoe mpitandrim-pananana eto moa dia tahatahaka ireny gestionnaire ireny, ka ny olana eto dia détournement (d'argents, de biens). Kisary anehoan'i Jesosy Kristy antsika izay notendreny hitandrina ny fananany izany ("an'i YHWH ny tany sy izay rehetra eo aminy").Inona no miandry ny mpitandrina tsy marina? Mahagaga eto fa FAMINDRAMPO no miandry azy voalohany! Raha teto amin'izao tontolo izao dia fanagadrana, fandroahana, fanonerana, sns no sazy mihatra avy hatrany amin'izay mpitandrina mangalatra sy manodinkodina zavatr'olona. Mandrakizay tokoa ny famindrampon'Andriamanitra kanefa mitandrema sao manao tsinontsinona sy manararaotra izany, ka hahita loza.
Ny antom-pisiantsika dia ny hitandrina ny fananan'ny Tompontsika, ka samia miomana fa amin'ny fotoana hiverenany dia tsy maintsy ho adinina ianao. Kanefa "ny fampiasana sy fanadinana, NY TSY AFAKA NO BE DIA BE"
Hametraka hevitra
Midira aloha