NY TANTARA NIANDOHAN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FJKM (GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO)

Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
Nampiditra ANDRAINARIVO
Nitsidika 1728
Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
TANTARA FIANDOHANA
Pejy 4

. Ny taona 1993

  1. Ny Sokajy :
    Ny Zaikabe faha dimy izay natao tany Antsiranana ny taona 1988 no nanapaka indray fa havaozina ny lesona Sekoly Alahady ; izay Dingana no nitondrana azy teo aloha . Natsangana ny vaomieran’ny lesona sy ny ezaka mamakia Baiboly isan’andro , dia ny Alimanaka sy ny Mofon’aina izany ny taona 1989 . Nalefa ny volavolan-desona ho an’ny Synodam-paritany 77 ka ny 38 tamin’ireo no nahaefa izany tamin’ny jolay 1990 ; marihina fa ny vaomiera no niantsoroka izany ary ireo 38 nandefa ny volavolan-desona di any roa ihany no nanda izany . Nampandalovina tamin’ny mpiandraikitra Foibe FJKM , io volavolan-desona io ny taona 1991 , ka nanomezany ny heviny . Ny taona 1992 kosa no nentina teo anivon’ny Synoda Lehibe FJKM . Nandalo ambaratonga maro vao tonga tamin’ny fanovana ny asan’ny Sekoly Alahady fa tsy nataotao foana tsy akory . Nisy ny dingana tsy maintsy narahana ka nilaina fankatoavana ; koa ny taona 1993 dia neken’ny Zaikabe faha enina , izay natao tao Antsirabe ny lesona vaovaon’ny Sampana Sekoly Alahady . Nanomboka nampihatra izany ny isam-pitandremana ny taona 1994 .
    Raha nanolotra io Boky lesona io ny Mpitandrina raiamandreny , Filohan’ny FJKM ; Atoa RAZAFIMAHEFA Edmond dia izao no nambarany : “ Tonga amin’ny fotoana ilaina azy ny fivoahan’izao boky izao , satria isika mivavaka hoe : “ Avia Fanahy Masina o! havaozy ny voahary manontolo ” . Koa raisintsika ho valim-bavaka avy amin’Andriamanitra izao ”
    Raha izay no nitarihana azy dia nozaraina ho dimy ny rafitra Sokajy ho an’ny Boky Lesona ho fampianarana Sekoly Alahady .
  2. Ny Sokajy Zaza = 3 taona - 6 taona : “ Andriamanitra Rain’i Jesoa be fitiavana ”
  3. Ny Sokajy Ankizy = 7 taona - 11 taona : “ Miara miaina amin’ny Tompo isika ”
  4. Ny Sokajy Tanora = 12 taona - 14 taona : “ Ny Fiainan’i Jesoa dia fiainantsika koa ”
  5. Ny Sokajy Zatovo = 15 taona - 17 taona : “ Ny abidian’ny fiainana Kristiana ”
  6. Ny Sokajy olon-dehibe = Ireo 18 noho miakatra :
    “ Tsiambaratelon’ny tokatrano sambatra ”
    Araka ny tapaka tamin’ny zaikabe izay natao tany toamasina ny taona 1999 ; dia nivoaka ny boky lesona eo an’elanelany sy ho fanohizana ho an’ny mpianatra sy ny mpampianatra ny taona 2001 , ho an’ireto sokajy ireto :
    . Ny Sokajy Zaza : 3 taona - 4 Taona = “ Andriamanitra Tia antsika ”
    . Ny Sokajy Ankizy : 10 taona - 11 Taona = “ Fanoharana hanova fiainana ”
    . Ny Sokajy Olon-dehibe : 18 taona no miakatra = “ Dinihonareo ny Soratra Masina ”
    Ny taona 2006 , dia nanana ny boky lesona ho azy manokana ihany koa ny mpampianatra ka isan-tsokajiny avy izany ary miditra lalin-dalina kokoa nohon’ny bokin’ny mpianatra ilay izy , ka afaka nanovozana fahalalana tsara . Ny taona 2007 , dia tapaka araka ny zaikabe tao Ambositra farany fa hamoaka boky lesona vaovao ny Sekoly Alahady FJKM .
  7. Ny taona manaraka
    Nozaraina ho Kilasy A sy B ny lesona iray
    . Kilasy 1 = A / B
    . Kilasy 2 = A / B
    . Kilasy 3 = A / B
    . Kilasy 4 = A / B
    . Kilasy 5 = A / B
    . Kilasy 6 = A / B
    . Kilasy 7 = A / B
    . Kilasy 8 = A / B
    . Kilasy 9 = Dinihonareo ny Soratra Masina
    . Kilasy 10 = Tsiambaratelon’ny Tokatrano Sambatra
    Araka ny fantatra sy tadidy ary tena iainana sy nianarana dia ny fanasokajiana ny sokajy ho kilasy A sy B , izany hoe nozaraina roa miavaka tsara ny Testamenta taloha sy ny vaovao ary 12 volana ny lesona iray ka mizara ho roa . Ny Fanadinana ihany koa dia niavaka tsara ihany koa satria ny laza - adina ho an’ny Synodam-paritany dia ny A fa ny B kosa no an’ny Foibe Sekoly Alahady . Ho an’ireo isam-pitandremana na ny faritra na ny Soba na ny Synodam-paritany dia ny nisy ny nanakilasy ny A ho amin’ny fifindrana kilasy ho B .
    Tsy ho velabelarina betsaka ny mahakasika ny boky lesona izay hampianarana ny Sokajy A sy B , ho an’ny Kilasy 1 - 8 ; ary ny Kilasy 9 - 10 ; satria efa voafaritra mialoha sy famohazana ny boky teo aloha ihany .
    Ny zavatra naningana sy ny tsy nampoizina mantsy dia ny fisian’ny Fihaonamben’ny mpampianatra Sekoly Alahady izay natao tao Ambositra ny taona 2015 ; ka ho fanohizana ny fiofanana na fanofanana SAMM ( Sekoly Alahady manomana Mpampianatra ) ; Ny manaraka indray dia izay natao tao Antsirabe ny ( 24 - 26 Aprily 2019 ) izany mantsy dia efa naparitaka manerana ny Synodam-paritany 38 ka ny antsika Antananarivo Atsinanana no natao filamatra momba izany , saingy ny an’ny Bemaraha sy Miray faritra Antogil ary Sofia Andrefana no tsy mbola nosokafana sy namoahana hatreto amin’ny fanokafana ny zaikabe izay natao tao Fenoarivo Atsinanana ( 26 - 29 Septambra 2019 ) ; raha ny Sampana Sekoly Alahady eto Antananarivo Atsinanana manokana izao dia efa nisy ny famoahana SAMM in-droa miantoana . Notanterahana tao Ambatomanga Fiderana ny andiany voalohany ny 26 Novambra 2016 (10) ary ny ny andiany faharoa kosa dia tao Isoavina Fihavaozana telo taona taty aoriana ( 21-23 Novambra 2019 ) (11) ; ny faha efatra tao Ambatotokana ary ny manaraka raha sitrapon’Andriamanitra dia ho tanterahana any Ambatomanga ihany . Momba izay SAMM izay ihany dia efa nisy ny Boky novitaina sy naparitaka dia ny Testamenta vaovao sy ny taloha ary ny Fampianaram-pinoana ary ny Pratika .
    ? Ny Fanadinana Iombonana :
    Nisy ny vina napetraka tamin’ny taona 1918 , fa homena mari-pahaizana izay nahavita ny fanadinana fitsapana . Natokana ho an’ny Sekoly Alahady irery ihany anefa izany . Ny fianarana rehetra dia tokony asiana fitsapana avokoa mba hahafantarana ny halalin’ny fahaizan’ny mpianatra ny Soratra Masina .
    Teo anivon’ny Sampana Sekoly Alahady FJKM , dia voasokajy ho rafitra ara-pandaminana ny mamolavola sy manatanteraka ireny fanadinana ireny . Efa natsidika tery aloha fa ny Foibe Sekoly Alahady FJKM , no manomana ny laza adina ho an’ny kilasy 1 - 8 ; sokajy B sy ny K9 - K10 . Ny Synodam-paritany kosa no manomana ny fanadinana izay hangatahana amin’ny fitandremana kosa ny volavola laza - adina . Miverina any amin’ny Synodam-paritany ireo volavola laza - adina ireo mba hotsongaina hanaovana laza - adina ho amin’ny fanadinanana , ka ny Kilasy 1 - 8 ; sokajy A . Raha ny fandaminana dia ny Faritra na Soba no mitsara ny Sokajy A .

? Ny Alahadin’ny Sekoly Alahady Foibe
Manana ny Alahadiny manokana ny Foibe , ka ny Alahady faharoa ny volana Desambra no hanatanterahana azy ; koa ny rakitra manontolo amin’io andro sy volana io dia atolotra manontolo ny Foibe Sekoly Alahady . Ny Vola azo amin’ny fihetsiketsehana ataon’ny fitandremana ao anatin’io Alahadiny io dia an’ny sampana Sekoly Alahady Fitandremana .
Raha izay ny mahakasika amin’ny am-pahany ihany ny tantaran’ny Sekoly Alahady amin’ny ankabobeny , nizotra ho amin’ny fampiraisana ny fiangonana telo tonta izay tsy dia tazana loatra ao anatin’izao tantara izao dia ho jerentsika manokana kosa ny Sampana Sekoly Alahady Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana . Marihana aloha fa ny LMS sy ny FFMA ary ny MPF no nanjary niofo ho Fiangonana tokana dia ny FJKM izany ny taona 1968 .
1.1 Ny Sekoly Alahady Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana
Ity tantara ity dia nosoratana tao anatin’ny Fihaonambe faha V , izay natao tany Atsirabe ny ( 4 - 8 Septembra 2013 ) (12)

o Ny Fiorenany
Araka ny fanapaha-kevitry ny Synoda lehibe faha 12 , izay natao tany Antsiranana ny taona 1996 ; dia natambatra ho iray ny Synoda-paritany dimy : “ Avaratr’Andohalo ; Merinarivo : Isoavina ; Faravohitra ; Ambatomanga ” ka nanjary Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana na SP.A.A 12 .
Ahitana Sampana maro mandrafitra ny FJKM Foibe ny Synodam-paritany ka anisan’izany ny Sampana Sekoly Alahady .
Izany dia natao ambaratongan-drafitra manelanelana ny Sekoly Alahady Fitandremana sy ny Foibe Sekoly Alahady .
Mba fantatrao ve ny rafitra ao anatiny ?

  1. Sekoly Alahady Fitandremana
  2. Komity Lehibe Fitandremana = Mpampianatra roa + Mpitandrina na Katekista Delegue
    3.Biraon’ny Sampana Sekoly Alahady Synodam-paritany
  3. Mpihevi-draharaha .

Ny Mpanoratra : Ny Andri-Fara

Fanamarihana : Hiangaviana ianao , isika ianareo ; fa tsy azo adika na alaina tahaka na amin'ny ampahany na manontolo raha tsy nahazo alalana avy amin'ny tompony . Antsoy ny laharana : 0340150519 na 0331274919

1728

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0163