FANDRAISAN-TANANA (GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO)
Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
Nampiditra ANDRAINARIVO
Nitsidika 74
Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
Nampiditra ANDRAINARIVO
Nitsidika 74
Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
FANDRAISAN-TANANA MPITANDRINA
Pejy 1
Fandraisan-tanana ny Mpitandrina Rajarison Nirina Mamihanitriniaina, mivadyTanteraka androany Alakamisy 12 Desambra 2024 teto amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana ny fanompoam-pivavahana ho fisaorana an’Andriamanitra noho ny fandraisan-tanana ny Mpitandrina Rajarison Nirina Mamihanitriniaina mivady. Fotoana izay notarihin’ny Synodamparitany Antananarivo Atsinanana.
Ny fandraisan-tanana dia tanterahina amin’ny Mpitandrina voatokana ka atolotry ny Synodamparitany ampahibemaso amin’ny Fitandremana nanendrena azy, rehefa niasa tao nandritra ny herintaona. Izany no tanterahina dia mba ho fanehoan’ilay Mpitandrina sy ny Fitandremana iasany ny fahavononan’izy ireo hiaraka hiasa.
Raha nanambara ny fikasany sy izay ho tanterahiny amin’ny Fiangonana ny Mpitandrina dia hoy izy:
“Mpanompoko ianao efa nofidiako ka tsy mba nariako (Isa 41:9b). Eto anatrehan’ Andriamanitra izay niantso ahy sy Jesoa Kristy Tompo Mpamonjy ahy ary ny Fanahy Masina Mpampahery, izaho Rajarison Nirina Mamihanitriniaina Mpitandrina dia manao izao fanekena izao. Tsy hikely soroka ary mbola hampiroborobo hatrany ny fitoriana ny Filazantsaran’i Kristy, tsy eto Andrainarivo Fahasoavana ihany fa hatramin’ny rafitra isan’ambaratongany eto amin’ny FJKM. Hitandrina toy ny anakandriamaso ny fihavanana sy ny fifankatiavana. Hitaiza sy hampianatra mandrakariva ny foto-pinoana. Hiezaka hijoro hatrany ho ray aman-dreny hampiombona ny Fiangonana. Hanamafy hatrany ny fitsidihana tokantrano. Hanao izay hahalavorary ny fivoriana rehetra eto amin’ny Fiangonana. Hanohy sy hanatsara ny maraim-baovao sy ny mofon’aina izay zaraina isan’andro amin’ny Facebook. Hanao zava-dehibe ny fampianaram-pinoana sy ny firaisan’ny Fiangonana tsy ho simba ary hananatra izay tsy mitoetra tsara amin’ny finoana. Handray andraikitra hatrany eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina manoloana ny raharaha sarotra. Hiezaka hanangana ireo vaomiera samihafa eto amin’ny Fitandremana. Ny herin’Andriamanitra izay homem-boninanhitra no iankinako hahatanterahako izany”.
Hametraka hevitra
Midira aloha