I Kiyoshi mpanao kiraro (Heriarilala Andriamamonjy)

Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Nampiditra iheriarilala
Nitsidika 4
Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Angano momba ilay mpanao kiraro mahantra sy ilay mpivarotra tia vola. Nanantena hanambaka an'ilay mpanao kiraro ilay mpivarotra. Angano nandeha tamin'ny English Club T.V, nadikan'i Heriarilala Andriamamonjy tamin'ny teny malagasy.
Pejy 1
I Kiyoshi mpanao kiraro

Indray andro, hono, nisy mpanao kiraro  antsoina hoe Kiyoshi. Nahantra tokoa i Kiyoshi, tsy mba nanana vola hividianana sakafo matsiro izy, fa zara raha mahazo tapa-mofo maina kely. Teo akaikin'ny tranon'i Kiyoshi anefa, nisy mpivarotra antsoina hoe Gaku. Mikarakara sy mivarotra trondro voasaly i Gaku.
Isan'andro, nankeny akaikin'ny tranon'i Gaku foana i Kiyoshi dia nipetraka teo akaikin'ny afo anasaliana ilay trondro. Tena natsiro ery ny fofony. Naka sary an-tsaina ery i Kiyoshi, toa tsy ireny mofo maina ireny no nohaniny  fa trondro mafilotra be. Tia vola loatra anefa i Gaku mpivarotra. Nahasosotra azy ny nankafizan'i Kiyoshi  ny fofon-trondrony. Noho izany, nanapa-kevitra ny haka vola tamin'ity mpanao kiraro mahantra izy. Dia niainga, hono, i Gaku nankany an-tranon'i Kiyoshi.
- Mila vola avy aminao aho, mandoa vola amiko ianao izao.
- Manahoana, Gakusan ! Fa inona no tokony haloako aminao ?
- Nankafy ny fofon-trondro nasaliko ianao. Omeo vola aho !

Dia lasa,hono, i Kiyoshi naka vilia baolina, nataony tao ny vola vy vitsivitsy dia nahontsakontsany tao.
- Izay ! Efa naloako taminao.
- Tamin'ny fomba ahoana ? Oviana ?
- Nefaiko ny vidin'ny fofon-trondronao tamin'ny alalan'ny feon'ny vola viko. Raha tsy ampy ilay teo dia mbola afaka manontsana indray aho.
Kepoka tsy nahateny i Gaku. Lasa izy niverina tanam-polo tany amin'ny fivarotany.
Tsy manam-be ny olo-mahantra fa ny tia ny vola kosa manana  kely noho izy.

Angano nandeha tamin'ny English Club T.V tamin'ny 22-06-26, nadikan'i Heriarilala Andriamamonjy tamin'ny teny malagasy.
4

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0078