Ilay amboahaolo mpitsara (Heriarilala Andriamamonjy)

Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Nampiditra iheriarilala
Nitsidika 9
Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Angano vahiny nadika teny malagasy
Pejy 1

Ilay amboahaolo mpitsara

Indray andro, hono, nisy gisa vavy roa, i Suzy sy i Sylvia.
Indray andro, niady hevitra izy ireo. Samy tezitra, tezitra aoka izany. Nisy gisa lahy roa hafa naheno azy ireo, i Hans sy i Henry.

  • Sophia ve no manana ny marina ? Iza no marina ? Iza no diso ?
    Tsy nahatapa-kevitra izy roa lahy.
    Andian-gisa maro be no tonga nanatrika ilay fifamaliana.
    Poa toy izay, iny eny ilay amboahaolo atao hoe Jacob.
  • Afaka mitsara an'izao fifamaliana izao aho. Azoko lazaina anareo hoe iza no diso dia iza no marina.
    Jacob ilay amboahaolo no ho mpitsara. Izy no hanapaka izay diso sy marina.
  • Afaka manao mpitsara an'izao fifamaliana izao aho. Nahoana tsy hety ? E ! Suzy sy i Sylvia a, tongava any an-tranoko. Andao hiresaka momba an'izao isika.
  • Andao !
  • E ! Hans ! E ! Henry ! Ianareo ve nahita ny zava-nitranga ? Hoy i Jacob
  • ie, ie, ie , hoy ireo gisa roa lahy
  • Hay ! Vavolombelona ianareo ! Andao dia lazalazao ahy bebe kokoa.

Nahita ny zava-niseho i Hans sy i Henry. Vavolombelona izy ireo.
Afaka fotoana vitsy, nitady vavolombelona hafa koa ilay amboahaolo.

  • E ! Billy ! E ! Willy !
  • Ahoana ?
  • Ianareo ve nahita an'izay nitranga ?
  • ie, ie, ie ! Hoy ireo gisa roalahy.

Hay, vavolombelona koa ianareo. Andao dia lazalazao ahy bebe kokoa.

  • ie, ie, ie.

Toy izay hatrany hatrany no nitranga. Fa tsy nisy gisa nivoaka avy ao an-tranon'ilay amboahaolo mihitsy.

  • Aiza i Suzy sy i Sylvia ? Aiza i Hans sy i Henry ? Aiza i Billy sy i Willy ?
    Nanapa-kevitra ireo gisa fa handeha hijery izay zava-misy ao an-tranon'ilay amboahaolo.Tena natavy be i Jacob mpitsara, feno volon-gisa manerana ny tranony.
    Takatr'ireo gisa ny zava-niseho ka lasa nanidina nitsoaka daholo izy rehetra.

Hono, ho'aho rankizy ? Raha ny eritreritrareo, mety ho mpitsara ve ny amboahaolo ?

Nalaina tao amin'ny English Club tv
Nadikan'i Heriarilala Andriamamonjy tamin'ny teny malagasy tamin'ny 25.05.26

9

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0383