Nofy (Heriarilala Andriamamonjy)

Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Nampiditra iheriarilala
Nitsidika 10
Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Angano vahiny nadika teny malagasy
Pejy 1

Nofy

Indray andro, hono, nisy mpanankarena iray. Adama no anarany. Nanambady izy, antsoina hoe Tereza. Nonina tao amina trano be iray vita amin'ny biriky izy.

Indray alina, nanonofy i Adama hoe misy harena be miafina ao ambany tranony.
Nony maraina, nankao amin'i Tereza izy.

  • Tereza, misy harena miafina ao ambanin'ny tranontsika. Andao hohadina.
  • Tsia, nofy ihany izany. Tsy misy zavatra tokony ho hita mihitsy ao.

Ny alina manaraka, niverina indray ilay nofin'i Adama.

  • Tereza, tena ilaintsika ny mitady an'izay harena miafina izay.
  • Adama a, tsy nisy vola napetratsika ao ambany trano. Tsy tokony hitady zavatra ao amin'ny tsy nametrahanao azy mihitsy ianao.

Indray alina taorian'iny, niseho indray ilay nofy.

  • Tereza, harodantsika ny trano hizahantsika ilay harena miafina. Raiso ny lapelina.
  • Adama , raha harodantsika ny trano dia aiza isika no hipetraka ?
  • Aza manahy ! Rehefa azontsika ilay harena dia hanangana trano telo vaovao isika.
    Nandray lapelina i Adama sy i Tereza ka narodany isam-biriky ny tranon'izy ireo.
    Saingy, tsy nisy harena na taiza na taiza.
  • Inona re ity nataoko ? Tsy manan-kipetrahana intsony izahay izao. Marina ihany ny an'i Tereza.

Tsy tokony hitady zavatra tsy napetrakao tao amin'ny toerana iray ianao.
Miombon-kevitra amin'izany ve ianareo rankizy ?
E.C T.V 07-07-26
Dikan-tenin'i Heriarilala Andriamamonjy 14-07-26

10

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1333