Vaingam-bolamena (Heriarilala Andriamamonjy)

Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Nampiditra iheriarilala
Nitsidika 11
Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Angano vahiny nadika teny malagasy
Pejy 1

Vaingam-bolamena

Indray andro, hono, nisy lahiantitra anankiray, antsoina hoe Peter. Indray andro, nangady tao an-jaridaina i Peter. Tampotampoka teo, nahita vaingana volamena izy.

  • Toa vaingam-bolamena be ? Hoentiko any amin'ny Mpanjaka ity dia hahazo valisoa aho.
    Nalain'i Peter ilay vaingam-bolamena dia nentiny nankany amin'ny lapan'ny Mpanjaka.
    Nony tonga tany, nahita miaramila Jeneraly anankiray, antsoina hoe Alexei izy.
  • Ho aiza ianao ry ilay lahiantitra ity ?
  • Tonga eto aho hanome vaingam-bolamena ny Mpanjaka mba hahazo valisoa.
  • Eny àry, hamela anao handeha aho, saingy tsy maintsy homenao ahy kosa ny valisoanao.
  • Eny, Tompoko, homeko.
    Nandeha nankany amin'ny efitranon'ny Mpanjaka i Peter.
  • Sarasara ianao Mpanjaka ! Indro misy vaingam-bolamena hitako tao an-jaridainako, azonao alaina ity.
  • Misaotra, inona ny valisoa ilainao ? Vola? Akanjo? Tany ?
  • Tsia, tsy misy ilaiko izany. Te ho voakapoka injato aho.
  • Ho voakapoka ? Eny àry, raiamandreny, araka izay irinao.
  • Eny, ny Andriana, azonao antsoina ve ilay Jeneralinao ?
  • Eny
    Ary nantsoina i Jeneraly Alexei.
  • Indro, Tompoko, azonao raisina ny valisoako izao.
  • Inona izany ? Vola volamena 100?
  • Tsia, kapoka zato.

Niezaka nitsoaka kosa i Jeneraly Alexei vao nanomboka ny kapoka.

Aza manandrana maka izay zavatra tsy anao.
Nalaina tamin'ny "Once upon a time", E.C T.V 06-07-26
Nadikan'i Heriarilala Andriamamonjy, 14-07-26

11

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1222