Volana roa (Heriarilala Andriamamonjy)
Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Nampiditra iheriarilala
Nitsidika 11
Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Nampiditra iheriarilala
Nitsidika 11
Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Angano vahiny adika teny malagasy, angano mirakitra fanambakana.
Pejy 1
Volana roa
Indray andro, hono, nisy lehilahy nanana anarana hoe Samang. Mpanjono izy. Isan'andro, naka trondro hamahanana ny fianakaviam-beny foana i Samang. Namidiny teny an-tsena ny ambin'ireo trondro ireo mba hanangonana vola hividianana trano vaovao.
Indray andro, nihaona tamin'i Khan mpiray vodirindrina aminy i Samang.
- Manahoana i Samang !
- Manahoana i Khan, ahoana ny fahasalamana ?
- Te hangataka zavatra aminao aho, afaka mampindram-bola ahy ve ianao ?
- Hampindram-bola anao ? Nanangom-bola hividianako trano aho, kanefa hampiako ianao.
- Misaotra, Samang. Haveriko ny volanao amin'ny roa volana.
Ny iray volana moa telopolo andro.
Nandeha ny fotoana, tonga tao amin'i Khan i Samang. - Manahoana, namana ? Ilaiko amin'izay ny volako.
- Tsia ka, volana anankiray ihany no misy. Sady izaho niteny taminao hoe haveriko ny volanao rehefa misy volana anankiroa.
Tsy faly i Samang. Noho izany dia nandeha tany amin'olon-kendry anankiray antsoina hoe Vithu izy, mba haka torohevitra. - Manahoana i Vithu ? Mila fanampiana aho.
- Miarahaba, Samang, inona no nitranga ?
- Nisolokian'i Khan mpiray tanàna amiko aho. Nomeko vola izy dia tsy mety mamerina.
- Inona no nataon'ilay mpiray tanàna aminao ?
- Nampanantena ahy i Khan fa haveriny ny volako rehefa misy volana roa eny an-danitra. Tsy azo eritreretina izany.
- Aza manahy ! Hampiako ianao. Teneno i Khan fa hihaona eny amoron-drano isika rahariva.
Nony hariva, hono, dia nankeny amoron'ny renirano i Samang, i Khan ary Ingahy Vithu. Nilentika ny masoandro, ary namiratra teny an-danitra ny volana.
- Manao inona ety isika ? Hoy i Samang
- Andao hijery volana roa hoy i Vithu.
- Ha ! Tsy hisy mihitsy izany hoy i Khan.
Notondroin'ilay lahiantitra tao anatin'ilay renirano. Nisy tara-bolana.
- Jereo, Khan, misy volana roa ireo. Azafady, mba avereno ny volan'i Samang.
Tezitra,hono, i Khan saingy tsy maintsy naveriny ny vola. Nanomboka teo,hono, dia tsy niresaka tamin'i Samang intsony izy.
Heriarilala Andriamamonjy, 25-06-26

Hametraka hevitra
Midira aloha