TRANO KRISMASY (Heriarilala)

Mpanoratra: Heriarilala
Nampiditra: iheriarilala
Nitsidika : 488
Sombintantara maneho ny hetahetan'ny zazalahy mahantra iray. Zazalahy maniry ny hiaina izany krismasin'ny manam-pialofana izany. Nanao ezaka ilay zazalahy, nanana herim-po ihany saingy....
TRANO KRISMASY

Antananarivo mamofona fety, somebiseby ny manan-katao, mangasihasy ny zanaky ny sahirana, miofy akondro vava ny fadiranovana. Miraratra dia miraratra ny akanjo sy kiraro ary ny kojakojam-behivavy eny amin’ireo trano fivarotana ao an-drenivohitra ao. Etsy amin’ny araben’ny fahaleovan-tena efa feno karazana kilalao natao hialam-boly ho an’ny ankizy. Isan’andro vaky izao tsy maintsy mamalifaly an-janany eny ireo ray aman-dreny tsara fivelomana. I Fetra kosa ? Zazalahy 7 taona eo ho eo. Tsy isaky ny fety ihany izy no tazanao miriaria eny Analakely fa efa tokotanibe filalaovany mandavan-taona eny. Sady kianja filalaovana no toeram-piasany, eny mantsy izy no manao ny velon-tenany. Tsy hoe miasa manao inona tsy akory, zaza tsy ampy taona ange i Fetra e ! Iza no hampiasa azy eo ?
Mpangataka ao Antananarivo i Fetra, ny reniny no mpiara-miasa aminy, ny dadany tsy mbola reny siosio ary tsy mbola tazany tandindona. Tsy manan-kialofana izy ireo. Indraindray matory any ambany tetezana ary misy fotoana any ambany tonelina. Mangataka amin’ny olona tsara fanahy no andaniany ny tontolo androny. Efa kely sisa ny Krismasy ! Fahavaratra eto Madagasikara ! Asa raha hainao ny ngidin’ny fahavaratra amin’izy ireo ? Fotoana iaretana ny oram-baratra sy ny tselatselatra ! Kotsan’ny orana isan’andro isan’andro. Vaky loha misaina ny amin’ny Krismasy izy izao.
- Inona ry Mama no ho azontsika amin’ny Krismasy?
- Fa inona anaka no mba zava-baovao andrasanao? Tsy hisy afa-tsy ireny lamba tonta efa tsy ilain’ny mpanan-karena ireny intsony, dia izay vola kely mba foiny ho antsika, tahaka ny isan-taona leitsy e!
- Mba tiako ry Mama raha mahazo trano tsara tarehy vaovao isika. Homen’i Dadabenoely isika e?
- Anaka a, tsy mba mijery antsika izany Dadabenoely izany, ireo efa manana ihany no hitan’ny masony.
- Fa ny mpanan-karena ihany izany no natao handray fahasoavana, fa mba ahoana kosa ny amintsika? Iza no tena mila fanampiana, ny mahantra sa ny efa manana?
- Anaka? Andao aloha isika hiasa hiatrehana ny Krismasintsika. Ento io satroka io hasian’ny olona vola, izaho mihira, ianao mandihy. Roso izy ireo nihazo ny araben’Analakely, dia rafitra nanao ny asany teo anoloan’ny Arcade, mpandalo maro no talanjona. Indreny nisy mpianaka handeha hiantsena, ramatoa vao herotrerony sy zazavavy kely 6 taona eo ho eo. Handeha hividy akanjo krismasy ramatoa mba hiavahany amin’ny mpiara-mivavaka, handeha hividianana kilalao krismasy kosa ikalakely mba hitoviany amin’ny zanak’olona. Taitra ikala raha nahita ireto olona nitangorona, dia mba nangala-pijery izay niseho tao. Voakasika ny fony nahita ity zaza mitovy aminy sy ity reny tahaka ny reniny : “Homeko kely amin’ity volako ity izy ry Neny, jereo io ankizy lahy kely io, tsy vitan’ny efa tsemboka be fa mbola mandihy ihany, sady ilay neniny mampalahelo kely fa reraky ny mihira mafy ery, tsy hitan’i Neny ve fa mainandro be ange izao e? Hoy ny fitalahoany tamin’ny reniny.
- Dia inona intsony ry Miotisoa ny hividianana kilalao ho anao raha tsy ampy intsony iny volanao iny ?
- Aaa, maka any amin’i Dada indray, i Dada àry mitondra vola be dia be foana rehefa hariva koa ! Sady mbola mitondra sakafo matsiro be ihany na efa nahandro aza i Neny ! Dia nisisika avy hatrany tao anatin’ireo fokonolona i Miotisoa ka nandrotsaka tao amin’ny satrok’i Fetra :
- Ity ny an’ialahy, dia ity ny an’i nenin’ialahy fa mampalahelo kely izy. Angamba afaka mividy sakafo matsiro amin’izay ianareo e? Hoy ny fiangotingotin’ikalakely.
Nijanona teo hatramin’ny 7 ora hariva i Fetra sy ny reniny. Avy eo ry zareo lasa nividy sakafo efa masaka hialemana, tsy mahandro sakafo ry zareo satria samy tsy mba ananany na vilany na fatam-pera.
- Voky aho ry Mama, natsiro be ilay sakafo. Nahazo vola betsaka isika androany e! Mbola misy ambiny hampiasaintsika rahampitso.
- Eny, anaka
- Tsy miasa izany isika rahampitso, hividy sakafo be dia be isika dia hihinana fotsiny.
- Tsy maintsy miasa isan’andro isika anaka mba hahazo baoritra tsara tarehy, angaha ianao tsy te hanana trano vaovao indray ?
- Hay moa ! Isika ry Mama tsy hitsimpona baoritra eny amin’ny fako a ! Ery Isotry misy mivarotra baoritra dia mba mividy isika. Ireny amidy ireny mantsy tsy maloto. Mba ao amin’ny trano madio no hankalazantsika an’izany Jesosy kely izany.
Takarivan’ny 24 desambra
Rakotra olona ny arabe, niramarama sy nianjaika daholo izy ireo. Ny tovovavy, nidingidingina amin’izato kiraro avo voditongotra. I Fetra kosa nanaraka ny sisin-dalana amin’izato fiakanjony nampahonena, nitsiriritra ny famirapiratry ny akanjon’ny manan-katao. Akanjo efa tonta avy amin’ny malala-tanana mpiahy ny madinika tao am-piangonana no eny an-kodiny, tontan’ny hafa fa vaovao aminy satria mba madio, tsy mikapa akory aza izy. Handeha hamonjy sasakalina ireo olona ireo. Ary mba mitovy amin’izay koa ny anton-dian’i Fetra. Tsy sahy naka toerana teny anoloana izy fa io lasa nitampify eo akaikin’ny varavarana any amin’ny farany aoriana. Tapitra ny fanompoam-pivavahana sy ny fankalazana ny Krismasy. Namelatra ny tanany miandry ny anjara vatomaminy avy any amin’i Dadabenoely izy dia roso. Niala haingana teo izy fa maika hamonjy ny reniny.
Faly ery izy ka tsy andriny ny hahita ny reniny. Ho any amin’ny tonelina Ambanidia izao ny tongony. Indrisy ! Nifanojo teny an-dalana izy mianaka. Noroahin’ny mpiasan’ny kaominina avokoa ireo tsy manan-kialofana tao ambany tonelina.
- Fa ho aiza i Mama?
- Tsy afaka mijanona ao intsony isika fa voaroaka !
- Dia ho aiza izany isika?
- ‘Ndao hifindra any an-kafa dia ento ireto baoritra ireto hanamboarantsika trano.
Nahita toerana ahafahan-dry zareo mamboatra ny tranony izy mianaka ka niara-nisalahy teo tamin’ny fandrafetana azy.
- Vita ry Mama a! Ndao amin’izay hidirana dia hatory ao. Hohanintsika ireto vatomamy ireto sy izay sakafo novidin’i mama.
- Eny, anaka, mamy ery izany Krismasintsika izany.
- Tanteraka ihany ny nofinofiko. Nahazo trano isika sady mba mihinana ihany. Faly be aho!
Tsitapitapitr’izay, nirotsaka ny orana. Malemy anefa ireo baoritra, nihamando tsikelikely, hotsaka ka nirodana ny niafarany. Indrisy, tsy nanan-kialofana indray izy ireo.
- Mama a! Fa natao ho an’iza ny famonjena ? Moa tsy Krismasy izao? Dia nitomany ilaikely.

Heriarilala, Desambra 2020, in Tapikan'ny Fanahiko, tak 13-17

Hametraka hevitra

Midira aloha vao mametraka hevitra

Hevitra mandeha