ILAIMAROKOTRA ( ANGANO ) (Ny Andri-Fara)

Mpanoratra Ny Andri-Fara
Nampiditra SANAKERIB
Nitsidika 168
Mpanoratra Ny Andri-Fara
Angano ankehitriny amin'ny endriny fanoratra vaovao. Tantara ny nahatonga ny horohorontany
Pejy 1
ILAIMAROKOTRA

              Indray andro izay , tany avaratr’izao tontolo izao no nisehoan’ny tantara . Rakotra ala matevina sy vohitra mitomandavana ny toerana rehetra izay tokony ho naleha . Feno tandavan-tendrombohitra marani-doha sy matsoko-loha avokoa ny ankamaroan’ny tany . Teo amin’ny toerana iray somary rakotra ranomandry no toerana nisy an’Ilaimarokotra .
            Iza moa Ilaimarokotra ? Ilaimarokotra ; dia biby mandady tsy misy tongotra fa ny vantany no handehanany ; mova tsy ireny sahala amin’ny Kankana ireny . Any ambanin’ny tany , sahabo ho telon-jato na diman-jato kilometatra any ambanin’ny tany any no nisy azy . Tena biby manan-tsaina tokoa raha izy ity ary tsy dia mihetsika firy satria anisan’ireo biby lehibe sy vaventy tokoa raha Ilaimarokotra . Milanja any ho any amin’ny enin-jato taonina any ny lanjany ary tokony ho Telo na dimy kilometatra ny savaivony ary ny lavany kosa ; dia mahatratra any ho any amin’ny folo kilometatra any mihitsy raha ny fanombanana  azy . Tsy mivoaka ety ivelany raha Ilaimarokotra ; fa ao ambanin’ny tany ao ihany .
              Nisy fotoana anefa izy nihetsika fa reraka ny nahintsy angamba ; ka somary namokona ny vantany ka raha vao niroso kelikely monja izy ; dia nihovotra tsy nisy toy izany ny tany , ary nisy fiatraikany tety ambonin’ny tany izany zavatra niseho izany ka nitora-jofo ny tontolo ; nahenika velaran-tany maromaro mihitsy ary nahitana fifindran-toerana na bolongan-tany maromaro . Tonga dia nihavaka avokoa ireo vondron-tany dimy teto ambonin’ny tany ary samy nitoetra tamin’izay nisy azy .
              Tsy nionona tamin’io fihetsika izay nataony io anefa Ilaimarokotra , fa nikasa ny handeha ihany , rehefa namokona ny vantany ary nikasa hiroso hamonjy toerana mafana , satria nangatsiaka loatra angamba ny toerana izay nisy azy na ahoana fa nandeha izy . Kanjo raha vao nikisaka tokony ho lavalava ihany , dia nahazo ny fanambanin’ny ranomasina angamba ; fa nisy zava-niseho tsy nanam-paharoa indray ; satria nihoatra tsy amin’ny tokony ho izy ny fipetrahan’ny ranomasina ka nivoaka ary nahazo ny am-pahan-tany maromaro mihitsy ka nahatonga ny rano niandrona ho farihy sy renirano ary ho dobo teto ambonin’ny tany . Toerana maro naneran’izao tontolo izao no nahitana izany ary mbola hita izany mandraka androany , sady ampiasaintsika olombelona no iainantsika ihany koa .
            Tsy nionona tamin’izany hono Ilaimarokotra , fa mbola niroso ihany ary nandeha ihany , fa tsy nijanona tamin’ny toerana iray intsony , kanjo rehefa tonga tamin’izay toerana ambanin’ny tany somary mahamay izay izy , dia nitady lalana nivoahana ho ety ambonin’ny tany satria nila nahafaty azy mihitsy izany ka nampiasa ny fomba rehetra izy mba hitadiavany izay ahafahany nivoaka ho ety ivelany .
168 2

Hevitra mandeha

hery 07/08/2024 00:20
Tena misaotra fa izay vao nanana fotoana namakiana azy :-)
Nahafinaritra tahaka ny angano rehetra.

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116