ILAIMAROKOTRA ( ANGANO ) (Ny Andri-Fara)

Mpanoratra Ny Andri-Fara
Nampiditra SANAKERIB
Nitsidika 182
Mpanoratra Ny Andri-Fara
Angano ankehitriny amin'ny endriny fanoratra vaovao. Tantara ny nahatonga ny horohorontany
Pejy 2
Ela ny ela ka nahita hevitra Ilaimarokotra ; ka nitsangana na dia somary sahirana aza noho ny hatavezany sy ny halehibeny ka afaka nivoaka tamin’izany tendrombohitra iray izay , kanefa nahitany loza izany satria namoaka lela afo mena nidorehatra sy lavenona marihatra somary niloko volon-davenona izay nandalovany . Ireny hono no atao hoe : « Tany mirehitra mivoaka lavenona » , nipoaka mafy be tsy nisy toa azy ilay biby vaventy sy lehibe ary nahenika ny tany manontolo ; satria nivakivaky madinika dia madinika izy ka nanjary sahala amin’ny tahona hazokely malemy tsy nisy taolana Ilaimarokotra ; tsy hita hoe , aiza ny masony , aiza ny kibony , aiza ny vodiny ; tsy misy tongotra ary haingana dia haingana ny fandehany . Ireny hono no nanjary kankana ankehitriny , ary vokatry ny fipitihan’ireny tany nirehitra mivoaka lavenona ireny ; dia nanjary vatokely na vatokilonjy ny tain’izy ireny rehefa mafy .
             Tsy nisy hanina na sakafo mba harapany anefa ireo kankana maro dia maro ireo , ka nifampihinana indray ary izay natanjaka dia nanjary kakan-jila ; ilay somary vaventy miloko mena mainty ireny ary misy fehezany manasaraka ny lohany sy ny vantany . Tsy manaikitra izy ireny fa maharikoriko fotsiny ny mahita azy ary niverina niditra tany ambanin’ny tany indray izy .
             Ireo kelikely kosa dia kankana ihany no anarany ary manana loko isan-karazany tokoa raha izy ireny ; ary mbola ao ambanin’ny tany ihany no nitoerany . Nanana anjara asa goavana tokoa izy ireny , indrindra eo amin’ny fambolena satria manalefaka ny tany tiana hasiana na nasiana voly sy mba hamonkarany sy nivelomanin’ny olombelona teto ambonin’ny tany .
              Indray taona izay anefa ; dia nihetsika nahatsiravina tsy nisy ohatra izany ny tany ary nahasimbana zavatra maro , indrindra fa ny zava-boahary . Inona hoy ianareo ? Hay ny vadin’Ilaimarokotra no nitady azy hatramin’izao ; satria Ilaimarokotra dia kankana lehibe vavy . Izany hono no nahatonga na mahatonga ireny horohoron-tany ireny satria tsy hitany Ilaimarokotra vady tena tiany ary tsy mbola hitany hatramin’izao . Ireny ranomasina mihoatra ny tokony tsy ho izy ireny dia ny vadin’Ilaimarokotra izay lahy no mandro ka mampisamboaravoara ny ranomasina izay tsy izy ; ary raha mahita tendrombohitra mivoaka na mamoaka na namoaka setroka miharo lela afo mahatsiravina ireny isika ; dia ny vadin’Ilaimarokotra no antony ; satria te hamoaka ny atodiny hono izy ary niampy betsaka izy ireny , fa rehefa vita ny fampisehoana izay ataony mandritra ny fivoahan’ilay afo ; dia nanjary vato kely maromaro , misy kely ary misy lehibe tokoa rehefa maina izany . Moa va tsy ireny hitantsika manerana ny tany manodidina ny tendrombohitra izany vato kely na vato kilonjy izany .
           Fa ireo kankana izay silaka avy amin’Ilaimarokotra kosa ; dia niezaka mba hitady ny razambeny ka tsy mbola nifanena tamin’izay notadiaviny mihitsy ka sahirana mivoaka sy miditra avy ao ambanin’ny tany aho ; ka bentika izy miletika sy milevim-belona any anaty tany any , ary bentika izy mba mivoaka kosa indray indray ; fa raha mahita fahavalo dia misitri-belona indray .


           Izany tantara izany tompoko ; dia angano toy ny angano rehetra ihany ; tsy nisy izany tsy akory ; ary tsy niseho teto ambonin’ny tany ; satria Andriamanitra irery ihany no anton’izao fisiana rehetra izao ; ny fahavelomana sy ny fahafatesana . Izy ihany koa no nandrindra sy mpandrindra ambony indrindra ary mpandahatra mahay ; ka tsy misy andriamanitra tahaka azy teto ambonin’ity tany ity , mba mpisoloky sy asan-tanàn’olombelona ihany . Manana maso ; fa tsy mahita ary manana sofina fa tsy afaka ny handre ihany koa . Manana tongotra aman-tànana saingy tsy afaka mandray sy mandeha akory .



C.E.G Nanisana .
Androany faha 02 Jolay 2024 ; tamin’ny 02 Ora sy folo minitra ary 30 segondra .
Ny mpanoratra : Hery Miary      ( Ny Andri-Fara )
ANDRIANARIVO Fanomezantsoa Raphael
              
182 2

Hevitra mandeha

hery 07/08/2024 00:20
Tena misaotra fa izay vao nanana fotoana namakiana azy :-)
Nahafinaritra tahaka ny angano rehetra.

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1052