ANGAMBA (Nofenoina Natiora Nitsimoka )

Mpanoratra Nofenoina Natiora Nitsimoka
Nampiditra NofenoinaNatiora
Nitsidika 89
Mpanoratra Nofenoina Natiora Nitsimoka
Izy ity dia tantaram-pitiavana mampihetsim-po.
Pejy 1
SOMBIN-TANTARA :(tantaram-pitiavana mampihetsi-po )

ANGAMBA ?
  

              Asabotsy 29 octobra taona 1997 tam'zay,tokotokony ho tamin'ny telo( 03)ora tolakandro teo.Toy ny efa fanaoko isan'andro dia nipetraka teo am-pototry ny hazo kesika lehibe iray aho,miaraka amin'ny penina sy taratasy,famoahako aingam-panahy.Somary malomaloka moa ny andro tamin'io.Nitsoka malefaka ny rivotra,nisy vorona nisidintsidina sy nisioka tao ambonin'ny hazo tao,nandrotsirotsy sofina sy nanainga fanahy.
Vetivety anefa dia rakotra raho-mainty ny lanitra ka nivadika ho rivo-mahery Ilay rivotra nitsoka malefaka.
Nanomboka nitsitaika koa ny orana ka tapa-kevitra aho ny hamonjy fodiana ,'zay tsy lavitra fa ampitan-dalan'io kesika lehibe fipetrapetrahako io.Nivatravatra tampoka anefa ny orana,ka tsy maintsy nihazakazaka aho.
Raha iny 'zaho mbola nihazakazaka iny Dia voafingan'ny bozaka ny tongotro ka nianjera tamin'ny tany.
Taitra Aho avy eo fa nisy tanana nandray n'y tanako Sady nampiarina ahy niaraka tamin'ny feo malefaka hoe :
- tsy naninona ve ianao?
-Tsy naninona aho ka! hoy Aho Namaly azy moramora sy nibanjina azy.
Navotsony n'y tanako Dia lasa izy avy eo...
Tovolahy iray fotsy fihodirana,lavalava somary mahiahia Ary misy tandra Kely eo ambanin'ny molony.
Nisy tsiahy nitamberina tan-tsaiko, ny am'lay tandra Kely eo ambanin'ny molony.
Efa ho dify izy vao niherika kely dia nifanojo ny fijerinay ary nidify izy avy eo.Izaho variana nijajirika teo,ka efa dify Ilay olona iny vao reko ny filatsaky ny oram-baventy nandena ahy,sy nanaitra ny saiko fa tokony hamonjy fodiana Aho.
Nitodi-doha nody ny tongotro nefa nihena ny hafainganany.Toa te hamerina 'lay minitra  lasa mba hiverenan'ny fianjerako indray ka hahafahako hanontany an'iny tovolahy iny hoe Iza izy.Mantsy,tsapako ho zava-dehibe sy mafonja 'zany Ilay fotoana nolalovana iny...
Baraingo iray niverina imbetsaka tao an-tsaiko iny ka na I Neny aza vaky nanontany,noho 'zaho mitogaigy lava:
-Singa a! fa misy olana angaha ianao anaka no toa lasalasa saina izay foana tato ho ato?
-Tsy misy ry Neny fa manainga fanahy Aho a! hoy aho namaly tsy sazoka...
Nivadibadika Aho ny Alina,nisy zava-nifandringotra 'zany teo amiko sy Ilay olona niserana iny.Ny feon'akitra naneno tsakirioka no hany nanako an-tsofiko.Nisy anarana nandalo tampoka tao an-tsaiko.
Kerobima,'lay olon-tiako tany Toamasina,folo taona lasa izay.Dia 'lay tandra teo ambanin'ny molony.Dia I Kerobima ve 'lay tovolahy iny ? Angamba,satria i Kerobima zarazara oditra fa tsy fotsy.
Tsaroako 'lay fotoana farany nifankahitanay.Tsy maintsy nifindra monina teto Antsirabe izahay noho n'y asan'i Neny.Tsy nahafoy ny hisaraka amiko i Kerobima dia nanapa-kevitra fa hanohy ny fianarany teto Antsirabe ihany koa...
Ny efatra (04)Janoary taona 1987,nigadona teo amin'ny fiantsonan'ny fiarakodia nitondra anay.Izahay  samy  tsy nahay izay atsimo sy avaratra teto,kanefa nifandiso teo amin'ny fiantsoanana.Noho ny hamaroan'ny olona dia tsy nifankahita intsony izahay,no sady tsy nanana finday rahateo koa...
Dia ho I Kerobima ve iny e?Raha eny,dia  nanova ny volo-kodiny 'zany n'y toe-tany teto ka lasa nihafotsy izy.
Te hahita azy aho,te hamerina an'reo lasanay niainana fitia,eny fa na dia mbola fitiavan-jaza aza tam'reny,satria dimby ambin'ny foko(15) taona aho tam'zany ary i Kerobima fito ambin'ny folo(17 )taona.
Dia amin'ny fomba ahoana no hifankahitanay indray.Mino Aho fa amin'iny lalan-kely nifanojoanay tampoka iny.
Nefa raha ho hitako indray iny tovolahy iny,dia i Kerobima ve?
Angamba,hoy ny saiko namaly...
Efa ho herinandro no niandrasako azy teo am'lay lalan-kely fa tsy nandalo izy.Te hahita azy aho,eny fa na tsy izy aza iny fa mitovy aminy fotsiny dia ampy hanamaivana ny adin-tsaiko sy ny alaheloko azy.
I Neny aza no sasatry ny nanontany ahy:
- Ary ianao ho'aho toa tsy toy ny teo aloha e!
Tsy manoratra intsony rehefa eo ampototr'io hazo io fa mipetraka fotsiny,sady am'zay indray matetika? Misy olona jerenao angaha?
-Eny Neny a! hoy aho sady nisento.Misy tokoa fa aleo rehefa hitako izy lazaiko an'i Neny sady asehoko mihitsy...
Indray andro,marainan'ny fito Novambra tamin'io taona 1997 io ihany.
Nirahan'i Neny hantsena aho.Andeha hiampita teo amin'ny sampanan-dalan'Andraikiba aho dia niherika Kely.
Nifanojo ny masoko sy Ilay tovolahy notadiaviko,fa terĂ¿ am-pita izy.Nidobodoboka be ny foko dia tsy nahahetsika aho.Izy kosa niampita avy hatrany sady Mbola nanatsopalotra maso nijery ahy.Izaho saika hiantso ny anarany raha i Kerobima izy.
Kinanjo,raha izy mbola nijery ahy iny dia nisy fiara niromorimo tsy hitany akory ka nanitsy tany aminy.
-Kerobima ! Hoy Aho nihiaka  niantso azy.
Nikiaka mafy izy...
Tsy nitempo intsony ny fony.
Fanina aho dia nianjera.Tsy nisy tsaroako intsony fa torana aho dia nisy nanaitra tany an-trano.
Ora maro taty aoriana vao tsaroako ny zava-nitranga.
Nantenaiko ho "eny "na "tsia " tamin'iny fotoana iny,'lay "angamba" nampisampana n'y saiko hoe i Kerobima ve izy.
Nefa indrisy fa nijanona ho "angamba "ny valiny.Nitomany no hany sisa nanamaivanako ny alaheloko.Nandrotsa-dranomaso ho an'olona tsy fantatro,na angamba mety fantatro ihany.
Raha tsy nifandiso teo amin'ny fiantsonan'ny fiarakodia izahay,sy mba samy nanana finday,dia  angamba mety tsy tafasaraka.Angamba mety nifankatia foana sy efa nanorin-tokatrano.Raha tsy izy kosa iny,dia angamba mbola any ho any sy mbola ho tafahaona amiko ve i Kerobima 'lay olon-tiako fahiny?
Nisento aho.Sakafo tsy am-bava,tsy re tsiro e!
Tantara natsimoky ny misy ireny saingy ny nofy no nikolokolo azy...
Nanafosafo ny lohako i Neny Sady nanontany:
-Fa nisy inona anaka,ary inona no mampitomany anao?
Efa hita ihany ve 'lay olona notadiavinao?
-Eny ry Neny a! Hitako izy,fa angamba izy iny...

NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA

04 sy 17 Novambra 2020
89 2

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0089