ANDRANOTSARA (Ravo)

Mpanoratra Ravo
Nampiditra TosakaMg
Nitsidika 10
Mpanoratra Ravo
tantara ao anatin'ilay sombintantara nosoratan'i Ravo mitondra ny lohateny hoe : Mangetaheta aho, ao anatin'ny boky Rindra, nivoaka tamin'ny taona 2014
Pejy 1
Tsy dia lavitra loatra an'i Iharana, hono, fahiny elabe tany, nisy tanàna iray. "Sasatra" tokoa ny fitadiavana rano tao. Na dia mahatazana tsara ny ranomasina aza manko ny tanàna,  miorina ambony havoana ka sarotra ny mahazo rano fisotro. Na izany aza anefa, mba nanana ny sahaza azy ihany ny isan-tokantrano. Noho izany maha saro-drano azy izany anefa dia nataony ho fomba tsy fanao ary tena fady mihitsy ny manome rano olona, indrindra moa fa mpivahiny.
Indray andro anefa hono, nisy mpivahiny sendra nandalo tao. Reraky ny dia ralehilahy ka hàna aoka izany. Nitady rano hosotroina izy. Nangataka nefa tsy nahazo. Voatetiny avokoa ny trano tsirairay, hatrany avaratra indrindra ka hatrany amin’ny farany atsimon’ny tanàna. Tsy nisy nanolotra rano ho azy. Ramatoa lehibe iray, nonina teo atsimon-tanàna kosa hono no hany tokana nanafaka ny hetahetan’ity mpivahiny.
Rehefa nahazo rano hanalany hetaheta, io lehilahy io, dia nisaotsaotra aoka izany an’ilay ramatoa. Sady nalahelo mafy ireo tsy nanome rano azy kosa, hono, izy no tezitra tamin’izy ireo. Nirahiny hiala ny tanàna ilay Ramatoa.
-"sasatra" tokoa ny rano amin'ity tanàna ity, ianao anefa nanome rano ahy ihany. Mialà eto ianao fa tsy ho "saro-drano" intsony eto, fa ho "saron-drano"
Dia niala tao, hono, ilay ramatoa, ary raha vao tojo ny toerana avoavo kokoa izy dia nanomboka nijojo ny orana, sady niha niletsy ny tanàna ka “dobo” tao niaraka tamin’ny mponina manontolo.  
Dia mbola “saron-drano” ao hono io tanàna io hatramin’izao. Fa ny mponina tao aminy kosa zary mamba ka velona soa aman-tsara ihany. Ireo taranak’ilay ramatoa nafahana tao kosa dia mbola mahatsiaro ireo mpiara-monina tamin’ny razambeny fahiny ka manokana fotoana hanaterana sakafo sy iaraha-mifaly amin’izy ireo. Omby maromaro mihitsy no vonoina sy omena ireo mamba ireo amin’izany.
Raha jerena amin’ny endrika ivelany kosa io toerana io dia hita fa tena farihy tsara tarehy tokoa. Izany angamba no nahatonga ny olona maro hiantso azy hoe: “Andranotsara” na dia maro aza no miantso hoe : “lac vert” na “lac sacré”

nosoratan'i Ravo na André Vonjitsoa RAKOTOARIVELO
10

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.047