AMBONDROMBE... (Zavona Rakoto (AQUARIUS))
Mpanoratra Zavona Rakoto (AQUARIUS)
Nampiditra ZavonaRakoto
Nitsidika 108
Mpanoratra Zavona Rakoto (AQUARIUS)
Nampiditra ZavonaRakoto
Nitsidika 108
Mpanoratra Zavona Rakoto (AQUARIUS)
Pejy 1
Efa henonao ve izany hoe AMBONDROMBE ? Tantara toy ny ahoana no nahafantaranao azy ? Hitanao ve hoe aiza no misy io toerana io ? mino ve ianao fa marina izay rehetra voalaza momba azy io? misy tenin'Andriamanitra miresaka momba izany ve? TANDREMO ANEFA MINOMINO FOANA A!!!ARA-TANTARA
Raha ny honohono miparitaka dia any Ambondrombe no mitoby ny fanahin'ireo olona maty rehetra ( Malagasy). Raha ny tantara no tsiahivina dia toerana rako-javona matetika izy ity. Tendrombohitra avo dia avo ao Atsimo Antsinanan'i Madagasikara izy ary ny mpanjaka Ivasiafotsy no nitoetra tao mialoha. Iratsy no nataony anarany taty aoriana rehefa maty an-drano tao ny zanany vavy tokona (mety lasan'ny vazimba). Dia nanozona izy noho izany fa tsy maintsy hitoetra ao ny fanahin'ny olona maty izay nahita io toerana io mba tsy ho irery ao ny zanany vavy.
NY ZAVA-MISY.
Misy aloha olona manamarina tokoa fa tena mahare korana sy hoby,tomany sy horakoraka ao Ambondrombe rehefa tonga ilay fotoana mangina sy mampanembona iny. Mety ho marina tokoa ve fa misy izany zavatra izany?
Efa nisy vazaha nanao fikarohana mivantana teny ary nandray ny feo fa tena nisy,tsy nanatri-maso kosa izy vokatry ny tahotra.
NY AVELO SY NY FANAHY
Tsara ho fantatsika fa samy hafa ny avelo sy ny fanahy sy ny matoatoa ary ny angatra. METY HO INONA TOKOA IZANY ILAY FEO RE ?
RAHA FANAHY ?
Raha ohatra ka fanahy aloha dia toa tsy mitombina raha handrenesam-peo fa tandindona fotsiny ihany e,tsy maintsy mampiasa "tena" ihany koa ny fanahy vao afaka maneho ny "presence" maha misy azy eo. Mety amin'ny alalan'ny (hazo ahetsiny,vatana hafa (biby na olona) na zavatra hafa.
*Misy sokajiny koa ny fanahy (ratsy sy tsara)
RAHA AVELO ?
Azo eritreretina hoe avelo satria ny avelo no afaka miseho amin'ny endrika azo alain-tahaka sy ny fomba maro,saingy tsy maharitra fa fotoana mandalo aorian'ny hahafatesan'ny vatany. (tsy mbola voafaritra ny maharatsy na mahatsara azy)
RAHA ANGATRA ?
Azo lazaina koa hoe Angatra ilay izy a,mitombina satria tsy dia mifanalavitra ny fepetra maha samihafa ny Angatra sy Avelo,ny angatra ihany koa dia teo amin'izay nahafatesany ihany no afaka manangatra a !saingy aza adino fa ny angatra tsy hita maso fa fanahy (ratsy na tsara)
RAHA MATOATOA ?
Ito no mety azo hinoana satria ity stady anankiray ity no toa mifanakaiky ny maha olombelona (manana salovana olombelona tahaka ny velona,saingy tsy voatsapan'ny tanana). afaka mipaika ny zavatra tiany paihana izy ary afaka mihiaka izay tiany hanaovana hiaka.
mandeha amin'ny toerana maro samy hafa izy,fa saingy voafetra ao anatin'ny fotoana (fohy) koa anefa.
RAHA AMBIROA ?
Ny ambiroa dia toa tandindona misalotra ny eritreritra,izay toa mihazona ny ain'ny olona iray (lasana ambiroa). Rehefa lasana ambiroa ny olona iray dia tsy mahalala ny misy azy sy ny tenany sy izay mety manodidina ny fahatsapana ara-nofo. Tsy voafetran'ny fotoana ny Ambiroa,afaka mamoka izay hiakany sy izay fanaony,tsy misy hoe (ratsy na tsara) fa kosa tsy tazan'ny maso.
Tena zendana be isika eo ampiheritreretana ny tena zava-misy marina;saingy sady mba mizara fahalalana kely aminao koa aho.
FOMBA FILAZAN'NY BAIBOLY.
----------->Mpitoriteny 9:5 ]...] fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona...dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay amin'izay atao at? ambanin'ny masoandro izy.
*Eto aloha dia mazava tsy fa tsy manana fahefana intsony ny maty amin'izay ety amintsika a.
------------>Mpitoriteny 12:7 ka ny vovoka dia hiverina amin'ny tany ho toy ny teo, fa ny fanahy kosa hiverina amin'Andriamanitra, Izay nanome iny.
DIA INONA IZANY ILAY HENO SY RE SY MITRANGA?
Tadidio fa misy ny atao hoe LIMBY. Misy karazana fanahy tsy tafaverina any amin'ny nanome azy (Andriamanitra) ka any amin'io toerana io (LIMBY) no tafajoboka (miangona). Tsy izy ireo anefa ireny hitantsika sy tazantsika matetika fa (Demonia mpirenireny) izay mangalatra ny "presence"an'ilay fahaveloman'ny fanahy taloha. Vakio ange ito e
------------>1Samoela 28:11 Dia hoy ravehivavy: Iza ary no hampiakariko ho eto aminao? Ary hoy izy: Samoela no ampiakaro ho et? amiko.....Ary hoy ravehivavy tamin'i Saoly: Andriamanitra miakatra avy amin'ny tany no hitako.
Io toerana io dia toerana any amin'ny tsy hita noanoa tsy misy mahalala na mahafantatra izay hialan'ny fanahy sasatra.
Ka izao no izy,izay fanahy mety hitanareo na miresaka aminareo na azonareo nofy sy ny sisa dia tsarovy fa tsy avy amin'Andriamanitra mihitsy . Fady ny mino an'izany fa izao:
Ny fanahy masina irery ihany no efa navela hifandraisantsika amin'Andriamanitra ka raha tsy izay dia hafetsen'i Satana avokoa. Vakio ito
--------------->Jaona 14:16 Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra mba ho eo aminareo mandrakizay,
17 dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo.
Zavona Rakoto

Hevitra mandeha
Nisy tsy azonao angamba teto amin'ilay hoe "LIMBY" fa avereno dinihana.
Tsy finoana malagasy fotsiny ny momban'ny matoatoa sy ny angatra sy ny sisa fa iraisana.
------------>Matio14:26 Ary nony nahita Azy nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina ny mpianatra, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Matoatoa io; dia niantso izy noho ny tahotra.
------------->Lioka24:39 Izahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.
NY AZA ADINO: Satana anie ka nanana zavatra maro nitovizany tamin'Andriamanitra e! izay no nahatonga ilay Combat tany an-danitra!
Fa inona anefa no tsy nandreseny an'Andriamanitra?
*izy tsy manana fitiavana---------->(...fa tamin'ny fitiavana no namonjena izao tontolo izao...)
*Tia fahefana
*Mpirehareha
*Tsy manetry tena
Teboka maromaro no tsy ampy taminy fa ireo no tena lehibe sy mbola hamitahany ny maro ka IZAY NO HITANDREMANA sy HIFAMPIZARANTSIKA ATO
Misaotra fa namako ianao " ! "