"MAFANA RA" (Zavona Rakoto)

Mpanoratra Zavona Rakoto
Nampiditra ZavonaRakoto
Nitsidika 10
Mpanoratra Zavona Rakoto
Tantara an'onjam-peo
Pejy 1
MAFANA RA
  FANO : (mihifikifi-doha) Aaa ! tsy mbola hitako aloha izay mampitombina an’izany voalazan’ise rehetra izany e ! zavatra mifanandrify fotsiny ihany angamba !
LAFATRA : (somary miteny mafy) ka ny mahagaga anie ry dadatoa dia tsy misy mihoatra ny iray volana daholo e ! raha ny faran’ny maharitra aza dia iray volana sy tapany eo ho eo ihany !
FANO : (tezitra kely) tsy afaka hamaritra zavatra betsaka mihitsy aloha isika ry Lafatra a ! tsy tiako hitompo teny fantatra amin’izay koa ise, zava-doza hoan’i Fetra anie ny fisian’izany eo aminy e !
LAFATRA : (gaga) te hilaza ve dadatoa fa tsy misy izany mafana rà izany ?
FANO : (matotra) tsy hoe ny mafana rà no tsy misy fa tsy Fetra kosa no tokony ho misy an’izany e ! tsy fantar’ise marina !
LAFATRA : (gaga) tsy azoko ! fa inona no tsy fantatro e ?
FANO : (mitsiky) mbola kely loatra ise ry Lafatra a ! mbola tsy takatry ny sain’ise io zavatra lazain’ise amiko io ; tsy mbola mazava amin’ise akory; ary tsy fantatr’ise ny misiterin’ny fiainana !
LAFATRA : dadatoa a ! matoa aho milaza aminao fa misy an’izany zavatra izany i Fetra zokiko dia mavaza amiko tsara ny fiseho sy ny toetran’io tranga anankiray io ; fantatro tsara fa fanahy miambozona no mahatonga ny olona iray hanana fiainana toa an’i Fetra !
FANO : (miteny mafy) aza mbola ampidirinao amin’izany aloha ny anaran’i Fetra ry Lafatra a ! zavatra tsy mbola azo antoka izany ; ary tsy mbola voaporofo mazava !
LAFATRA : eny e ! mbola tsy misy porofo mazava tokoa azoko haseho anao aloha hatreto, saingy amiko dia tsy ilaina loatra izany satria ampy ho porofo ny zava-miseho hitan’ny maso
FANO : tena mafo loha mihitsy ise ity ka ! (feo mamindra) mandehana aloha atero ireto mofon’olona ireto fa efa atoandro ny andro !
LAFATRA : aiza ary e ! sady mbola hijery zavatra kely any an-tsena koa aho avy eo fa misy zavatr’olona nafarany izay mantsy dia alainy eto rariva !
FANO : dia aza maharitra any ise fa mbola betsaka ny zavatra tokony hovitaina ato a ! (entana midoboka)
LAFATRA : aza manahy fa hiezaka ho tonga aloha aho e ! izay fa lasa aho aloha ! (varavarana mivoha)
FANO : andraso aloha ! tsy dia azoko antoka loatra ilay valin-teninao teo a ! aza manao teny roa fa tsy fahamatorana mihitsy izany.
LAFATRA : dadatoa mihitsy no tsy maheno tsara !
FANO : fa heverin’ise hoe zazakely angaha ity izaho ity ? azoko tsara ny zavatra tian’ise lazaina teo ; aza asiana hoe hiezaka !
LAFATRA : eny ary e ! fa andeha amin’izay aloha aho fa tena taraiky eto aho raha mbola hifandahatra eto indray isika mianaka !
FANO : ka ise ihany io be sasin-teny eo anie e !
LAFATRA : lasa ary aho e ! ataovy betsaka ny sakafo fa reraka be aho avy aty !
FANO : (mihomehy) ise ho aho aza mampihomehy ahy
SEHO 02 (Fetra ; Lafatra)
(eny an-dalana)
FETRA : fa tena tsy azoko mihitsy ialahy ity ry zandry a ; hanao inona any koa aho !
LAFATRA : Fetra a ! tena misy zavatra tsy milamina anie amin’ny fiainan’ialahy io e ! andao moa letsy a ; andao fa ilain’ilalahy ny makany !
FETRA : fa maminona moa no ialahy indray no mahita ny fiainako hoe tsy milamina e ? hafa kely ianao ry zandry a !
LAFATRA : dia te hiteny amiko ve ialahy fa izaho no te hiditra lalina amin’ny fiainan’ialahy ? dia tena mino ve ialahy fa milamina koa ialahy ?
FETRA : tsy misy fiainana tonga lafatra izany letsy a ! fa ny azoko lazaina amin’ ialahy fotsiny dia hoe mbola zakako tsara ny zava-miseho amiko !
LAFATRA : dia tsy mba mahataitra an’ialahy ve ireny sipa miala hoazy amin’ialahy fotsiny ireny !? raha fitiavana anefa toa tsy ory akory izy ireo, ny vola ihany koa toa mba misy ihany ialahy ! misy antony daholo letsy izany a !
FETRA : dia mbola tsy azoko ihany, matoa izy miala dia tsy tia ahy izany ! tsy mifanambina letsy e !!!
LAFATRA : dia tena modian’ialahy tsy fantatra ve sa tena tsy mahalala tokoa ialahy ! mafana rà letsy ialahy a !?
FETRA : fa mafana rà ahoana koa ry zandry a ?
LAFATRA : izany efa lazaiko izany letsy ry Fetra a ! mihambozona fanahy ialahy, dia tsy mety ho tamana mihitsy izay vehivavy miaraka amin’ialahy satria io fanahy io no mandindona sy manakana izay olona te hiaraka amin’ialahy !
FETRA : tsy mino an’izany aho lesy ry Lafatra a ! asio porofo tena mazava aloha ; amiko matoa misaraka dia izay no lahatra sy anjara !
LAFATRA : dia ialahy ve mihevitra hoe tsy fitiavana daholo no nisarahan’ireny olona ireny tamin’ialahy ? diniho kely anie e, saino tsara fa tsy mbola nahita sipa niaraka tamin’ialahy mihoatran’ny roa volana mihitsy aho hatrizay ! sa ve efa nisy fa tsy fantatro ?
FETRA : zavatra mifanandrify fotsiny angamba letsy izany ry zandry a ! mbola tsy tonga angamba ilay tena anjarako,
LAFATRA : tokony tsy ho tara fanampaha-kevitra lesy ialahy a ! tena antoky ny fiainan’lah hoavy daholo izany lazaiko izany !
FETRA : ka ilay zavatra tenenin’ialahy amiko tsy mety ho azoko mihitsy !
LAFATRA : aleo rariva dia miaraka amiko ialahy ary e ! mazoto ialahy ? sady na mazoto ialahy no tsy mazoto dia mila miaraka amiko fotsiny rariva !
FETRA : hafa kely ianao ry zandry a ! lazao ary aloha hoe inona no ataoko any e ?
LAFATRA : tsy manam-potoana be handresena lahatra anao aho fa raha mba manan-danja aminao ihany aho dia mba henoy aloha na dia androany ihany aza e!
FETRA : aleo aloha tsy androany letsy ry Lafatara a ! tena mbola betsaka ny zavatra tokony alamiko !
LAFATRA : eny ary e !
SEHO 03 (Fetra ; Cassiah)
(any an-tsaha)
CASSIAH : Fetra a ! tena matotra tsara ve ianao miaraka amiko e ?
FETRA : fa inona koa izany fanontanianao izany ry malala a ! tsy matoky ahy angaha ianao sa manana candidat hafa ?
CASSIAH : Fetra a ! izany hanihaninao izany mihitsy no hametrahako an’izany fanontaniana izany ;
FETRA : Cassi a ! fa ianao angaha mieritreritra hoe mpananihany mihitsy aho ? ny fitiavako anao tsy mba ataoko ho isan’ny hanihany mihitsy raha izany no tianao fantarina !
CASSIAH : mba fantatrao ary ve hoe : fa maninona aho no manontany an’izany aminao ?
FETRA : ka ny hasarotam-piaronao ihany no mahatonga an’izany !
CASSIAH : ovina ary ianao ity vao ho olon-dehibe ! dia tsy ho afaka aminao mihitsy ve io hanihaninao io !
FETRA : hihi, ka tsy voatery ho fantatro daholo anie izay hanontanianao ahy e !
CASSIAH : fa aleo ho any ary izany e ; mba hanontany zavatra fantatrao indray aloha aho !
FETRA : mihaino anao aho malala a !
CASSIAH : firy ny vehivavy efa notiavinao talohako ?
FETRA : fa ilaina angaha ny mahafantatra an’izany e ! adaladala kely ilay fanontaniana !
CASSIAH : tsy adaladala mihitsy izany fa tena matotra ; sa tsy tianao fantariko ?
FETRA : tsy hoe tsy tiako fa tena zava-dehibe ve izany ?
CASSIAH : raha izany fotsiny ve malala no mba andrasako aminao dia mampisalasala anao toy izao ! dia raha mbola ampiako izany ny fanontatiana dia ahoana !!!
FETRA : fa Cassi ve adaladala e ! ao ary fa lazaiko anao e ! izy rehetra sa ny sasany ary no tianao fantarina ?
CASSIAH : izay tianao kah !
FETRA : ka sao ary marary fo eo fa holazaiko daholo izy rehetra a !
CASSIAH : lazao re a ! rehefa valianao fotsiny ny fantaniako dia ampy ahy izay !
FETRA : ka na dia ny rantsa-tànanao rehetra aza no atambatra dia tsy ho ampy akory !
CASSIAH : kay ianao ity be vehivavy be ! tsy nampoiziko !
FETRA : ka efa niteny anao aho hoe tena zava-dehibe aminao ve ny mahalala an’izany ! dia nitady ianao dia nomeko !
CASSIAH : mba tsy nampoiziko mihitsy izany ka ! na SPRINTER anakiray aza ve ho atonona an’izany rehetra izany ?
FETRA : ataovy resaka hafa ka ! marina raha tsy ho torana eto ianao raha mbola mitohy kely eo fotsiny izany resaka izany !
SEHO 04 (Fetra ; Vonitantely)
(manofy
VONY : (miantso eny lavitra) Fetra ! mba andraso aho !
FETRA : (mieritreritra) andrekaiky Ô ! hatsaran-tarehina vehivavy izany marina ! endrika mamirapiratra sy mahate ho tia ; tena anjelin’ny lanitra mihitsy angamba ity.
VONY : aza matahotra fa tsy haninona anao aho e ! Hitari-dalana anao aho raha sitrakao !
FETRA :   ka ianao aza anie tsy mbola fantatro akory e ! mahagaga ahy koa ny hahafantaranao ny anarako ; fa iza marina ianao e ?
VONY : izaho no antsoina hoe Vonitantely ! mpiandry ny lasanao aho ; ary mbola manjohy anao eto amin’ny ankehitriny ! ary na ny hoavinao aza dia mbola tsy afa-misaraka amiko !
FETRA : (mieritreritra) mba marina raha misy fantatro akory izay lazain’ity tovovavy ity ! ary inona iny tazominy iny ! ary atolony ahy anie ilay izy e.
VONY : voafetra ny ora hifandraisantsika ry Fetra a ! raiso ito rojo ito ; fa ito ihany no fanalahidy tokana hahafahantsika mifandray !
FETRA : faa………………………………… !
SEHO 05 (Fano; Lafatra)
(eo antokotany)
LAFATRA : dia izany daholo ry dadatoa ny zavatra nolazainy a ! tena nofy hafahafa be mihitsy ilay izy !
FANO : Lafatra a ! tena hidiran-doza ny zokinao ; ary raha mbola variana eto isika dia ny vata mangatsiakany sisa no tavela ho antsika !
LAFATRA : fa tena tsy azoko ry dadatoa a ! fa vata mangatsiakany ahoana ?
FANO : henoy tsara ary aho ! tsy nofy no hitany halina fa fahitana ! raha tena voamarina tokoa fa nandray an’ilay rojo natolotr’ilay tovovavy azy izy dia tsy afa misaraka aminy mandrakizay ! fa ny zavatra tsy azoko dia tokony mbola tsy hahita an’io fahitana io i Fetra raha tsy efa tafaray na efa mahalala an’io fanahy ao aminy io !
LAFATRA : ka efa nampafantariko azy fa mafana rà izy, vao andro vitsivitsy izay no nitenenako azy an’izany ; fa izy aza anie tsy nino izay nolazaiko azy akory e !
FANO : Tena nampidi-doza ny rahalahinao ise ; tokony tsy mbola nilaza nninoninona azy mihitsy aloha ise ! ary tadidio fa manomboka izao dia tsy hitsahatra hanao zavatra aminy io fanahy io ; ary mety hanakorontana izay rehetra mitia azy mihitsy ! tokony mba nanadihady kely ihany ise vao nanao dingana !
LAFATRA : tena manomboka tsy misy fantatro intsony izay rehetra lazainao ry dadatoa a ! dia inona izany no tokony ataontsika ?
FANO : tohizo foana aloha ny fanadihadian’ise azy e ! aza avela hisy na dia zavatra kely fotsiny aza no afeniny aminao fa hanampy antsika hanafaka azy izany !
SEHO 06 (Cassiah ; Lafatra)
(eny antsena)
LAFATRA : e ! fa handeha ho aiza ianao izany ?
CASSIAH : oay ! Lafatra ! hividy mangahazo etsy aho fa tsy mahita atao gouter hariva ; ary mba ho aiza koa ianao ?
LAFATRA : tsy hitanao angaha i Fetra ? mitady azy aho fa adino any aminy ny la clé nefa ny akoho mbola tsy nifahana !
CASSIAH : haha ! andao aloha hisotro losapy miaraka amiko etsy raha tsy maika ianao e ! mampihomehy mihitsy ianao.
LAFATRA : tsy hoe ilay lasopy no tsy tiako fa tena mbola maika be aho ! tsy haiko intsony izay hanjoa ahy raha fantatr’i dadatoa Rafeno fa i Fetra no nitondra ny fanalahidy dia ho sazy henjana mihitsy no omeny ahy !
CASSIAH : ao moa e ! zavatra kely fotsiny anie io e, tsy misy dimy minitra akory izany !
LAFATRA : ianao ity koa dia tena be ady varotra kah ! raha hoe tsy ity no fanasana voalohany nataonao tamiko dia tena tsy nety mihitsy aho na nitomany teo aza ianao, mba marina e !
CASSIAH : hihi ; fa saika hanontany kely anao aho raha azonao valiana ?
LAFATRA : sao dia hanita-dresaka eto ianao ity ry Cassi a ! fa inona no fanontaniana tianao hovaliako ?
CASSIAH : issshi ! tsy hanontany anao afatsy ny momba an’i Fetra aho re a ! fantatrao daholo ve ny olona efa niaraka taminy ? ary inona no mampivanàka anao amin’izany e !
LAFATRA : ka adaladala kely ilay fanontaniana kouu ! tsy tokony hoe aty ampihinanana lasopy no hanontanianao an’izany ; sady maninona raha izy no hanontaniana an’izany e ?
CASSIAH : ka tsy matoky azy aho ; izy be laingalainga kely mantsy !
LAFATRA : fa mampaninona anao anefa ny fahalalana izay olona niaraka taminy e !
CASSIAH : sao dia adinon’i Lafatra ary fa ianao anie no nametrahako fanontaniana teo e ! lasa ianao indray mantsy no manontany ahy.
LAFATRA : kay tokoa moa ! fa maninona raha tsy atao androany e ; sady zavatra tsy tena ilainao akory izany !
CASSIAH : (mieritreritra) fa maninona ary no tsy misy mety mamaly ahy daholo izay hanontaniako rehetra, na i Fetra na i Lafatara dia mitovy valin-teny avokoa ! fa misy zavatra afeniny amiko ary ve e !
SEHO 07 (Cassiah; Fetra; Vonitantely)
(NOFY)
(eny antsaha)
FETRA : fa inona no ataontsika aty ry Vony a ! tena ho taraiky aty ne aho e !
VONITANTELY : aza manahy fa tsy hitazona anao ela aty aho e ! efa hitanao ve ity toerana hitondrako anao ity ry Fetra ?
FETRA : toerana tsy dia vahiny amiko intsony izy ity fa tsy tadidiko fotsiny hoe ovina aho no efa nakaty !
VONITANTELY : tena tsy tsaroanao tokoa ! efa niaraka taty isika sy ianao taloha fony mbola tsy lasan’ireny olona ireny ny fonao !
FETRA : fa minona anefa e ! angaha tsy mba mahazo manana anjara amiko izy ireny ?
VONITANTELY : tsy avelako hanao an’izany mihitsy ianao raha mbola ananako anjara ! efa ahy ianao ka mahasarotiny ahy tokoa.
FETRA : fa avelao amin’izay aho handeha fa betsaka anie ny zavatra mbola ho ataoko ry Vony e ! mitebiteby izao ny zandriko sy dadatoanay any ;
VONITANTELY : Fetra a ! aoka tsy ho adinonao fa efa nifanaiky isika ; mahazo mandeha ianao saingy tadidio fa manara-maso izay fihetsikao rehetra any aho !
CASSIAH : (alina avy nanofy) (Taitra sady matahotra) Andrekaiky Ô ! nanofy ratsy aho. Fetra ! nisy vehivavy mihazona izy ary tsy mamela azy handeha ! fa inona ary no nanjoa azy hanikeo ! aza hitako ka hoe lasan’ny zazavavin-drano i Fetra ; aza misy anie izany ! kanefa inona no dikan’iny nofiko teo iny ? sanatria ve dia tandindomin-doza ny malalako !
SEHO 08 (Lafatra ; Fano)
(Ao an-trano)
FANO : io ary ilay efa noteneniko an’ise ry Lafatra ! manomboka miseho izao ireo zavatra nolazaiko an’ise ! efa tonga manelingelina any amin’ny Cassiah sahady izy ! mila mikaroka vahaolana isika ; tandremo tsara sao dia tantarainao any amin’i Fetra daholo izany zavatra rehetra izany a !
LAFATRA : fa heverin’i dadatoa hoe zazakely ary ve aho e ! ny fepetra tokony horaisina izao no andao dinihina !
FANO : anio hariva dia hanao karazana méditation isika mba hamantarana izay zavatra tena mamatotra azy sy ilay fanahy mifikitra ao aminy !
LAFATRA : ka tsy ho sarotra ve izany ? efa nisy zavatra saika ho ataoko ihany raha toa ka mety !
FANO : fa hevitra toy ny ahoana anefa izany e !
LAFATRA : ka misy radada mahay raokandro malagasy izay any efa nifampiresaka tamiko ; mino aho fa afaka mamaha an’io olon’i Fetra io izy ! aleo izy no antsoina hiara-hiasa amintsika !
FANO : ka aleo tsy miandry ela ary fa aina ity vonjena ity e ! raha sanatria anie ka manao hadisoana eo isika dia mety ho votsotra aina betsaka e ! ary na ise io aza dia mety ho voakasik’izany !
LAFATRA : aza manao izay mampatahotra re ry dadatoa a ! aza maniry loza ho ahy eo koa ianao fa tena tsy mora anie ny manjoa an’i Fetra e ! aleo ary aho handeha ! tena mampihorohoro mihitsy ilay zava-mitranga.
FANO : aza ela fotsiny ianao fa miandry ny fiverenanao aho vao afaka manomana izay zavatra tokony atao rehetra ! tandremo ise manao tandrevaka any a ! mbola averiko foana hoe aina no vonjetsika ka mila matotra tsara fa raha sanatria manao hadisoana, na dia kely fotsiny aza dia mety hanimba zavatra maro sy goavana !
LAFATRA : aza manahy ianao fa olona mahavita iraka tsara aho e !
SEHO 09 (Fetra ; Lafatra ; Fano ; Dadabe)
(Alina ao an-trano)
DADABE : ataoko angamba fa olona iray ihany sisa no tsy mahalala an’izao zavatra ho ataontsika amin’izao alina izao, dia ise ry Fetra !
FETRA : ka tena tsy azoko mihitsy anie hoe fa inona no hidirako amin’izao zavatra ataonareo izao e !
FANO : ka izany mihitsy no hiantsoana an’ise ato e ; mahakasika ny hoavin’ise rehetra izao zavatra ho ataontsika anio izao !
LAFATRA : mahakasika an’ilay resaka noteneniko an’ialahy iny lesy a !
FETRA : ilay hoe mafana rà ve ! fa maninona anefa e,
DADABE : izao no izy ry ilay kely a ! mihambozona fanahy ise ; ary raha tsy tafasaraka amin’ise io fanahy io dia mety hamoy zavatra maro ise eo amin’ny fiainan’ise ; toy ny hoe olo-tiana na fihanakaviana ! fa ny tena zava-doza dia mety haningotra ny ain’ise io !
FETRA : ka ny tsy azoko anie dia hoe fa maninona no misy an’izany aho e ! nahoana no aty amiko izany no misy fa tsy olon-kafa ?
DADABE : henoy tsara ary : manana hasim-bintana mahery ise ! manjorozoro mitodika avaratra andrefana any amin’ny rindim-bintana andrefana ny andron’ise io ; ary tena tian’ny fanahy malahelo sy ny fanahy mpigafy mihitsy io zoro misy an’ise io ka mila mitandrina be noho izany ! mety hazava kely aminao amin’izay angamba fa tsy ny olon-drehetra no manana zavatra mitovy aminao !
SEHO 10  (tohiny)
FETRA : raha ny azoko tsara izany dia marary aho ? dia fanahin’iza ilay miaraka amiko ?
DADABE : hafantohy tsara ary ny sain’ise ! hanao ny dingana voalohany aloha isika : andao fantarina hoe iza ; ary fanahy avy aiza io manalohalo anao io ! raha fantatr’isika mazava izany zavatra izany anio dia hahavita hanohitra azy ary hanana fitaovana entina hamongotra azy isika !
FETRA : ka inona ary no hatao e !
DADABE : tsy maintsy asiana fanidy zoro ise ry ilay kely a !
Tsy maintsy hanaovana ala faditra ise fa raha tsy izany dia hiala ampara-vazana.
FETRA : fa tena tsy azoko anie izany e ! asiana fanidy zoro ahoana koa izany ?
DADABE : mihalohalo eo ambava-vintan’ny adijady ny andron’ise ,tsy maintsy ny herim-bintan’ny asorotany no hisintonana an’ise hiala teo fa izy irery ihany no manam-pahefana hanafaka an’ise ; ary ho mora hoan’ny alahamady ny hikarakara sy hanala an’io fanahy miambozona io ! fa raha tsy izany kosa dia……
LAFATRA : fa raha tsy izany dia maninona ry dadabe ?
FANO : aza tapahanao aloha ny fanazavana ry Lafatra a !
DADABE : fa raha tsy izany dia ny alakarabo no hamingana anao ry Fetra ; ary ny vintana alakaosy no hihaona aminao eo ! vintana mahery izy io ary tena manorotoro izay rehetra mifanehatra aminy ! eny fa na dia ny tompony aza dia tena hifoterany tokoa ; saingy azo antenaina anefa fa ho tafarina eo ihany ise; hinoako fa tsy vahiny amin’izany daholo isika rehetra ireo !
FETRA : ka ilay hoe miala ampara-vazana ka ! inona no hevitr’izany ?
DADABE : tadidion’ise tsara manomboka izao fa ny ampara-vazana no hifikiran’ny fanahy sy ny toetra singa mihazona ny fahalemena !
FETRA : tena tsy misy fantatro daholo izany ka ! mba marina e !
DADABE : ho azon’ise ihany izany av eo e ! fa avy ise eto ; ary midira ao anatin’io faribolana io. Ataovy mifampikasoka ny felatanana roa, dia ataovy toy izany koa ny faladia ! akipio ny maso fa hanao ny fanidy zoro hoan’ise aho. Ianareo mianaka kosa mitazoma labozia mirehitra ary mifantoha tsara !
LAFATRA : avy eto ry dadatoa a !
DADABE : ry fanahin’Andriantsitohaina ! ny fanahin’Andriafitofanahy ! miraisa eo anjiro telorantsana mba ho andrin’Andrianampoina ; fa hianareo no ALAHAMADY !
SEHO 11 (Cassiah ; Fetra)
(Any ampiasana)
CASSIAH : Fetra a ! Fetra ho aho ?
FETRA : an ? fa misy inona !
CASSIAH : misy zavatra tantaraiko anao vetivety. Tsy haiko hoe rediredy ve ilay izy sa inona fa zavatra hafahafa kely izay.
FETRA : ka mbola be asa be anie ky izaho malala e !
CASSIAH : ao fa ampiako ianao rehefa avy eo ; fa mino aho hoe tena misy hifandraisany @ ilay zava-niseho omaly ilay izy !
FETRA : mihaino anao ary aho e ! tandremo indray anefa ka zavatra tsy misy dikany no lazainao eo fa avy hatrany dia mifamaly isika a !
CASSIAH : ishiiii ; ianao koa ! tsy izany ho aho fa nanofy anao aho t@ indray andro izay dia……
SEHO 12 (Tohiny)
(Any ampiasana)
FETRA : (mivanitika) tena lasitra iray mihitsy ianao sy Lafatra ireto ka ! dia inona izao no hifandraisan’i Miggel amin’izany ?
CASSIAH : kay Miggel no anaran’iny vehivavy teto omaly iny ! ka mitovy dika t@ ilay nofy mihitsy anie ilay zava-niseho e !
FETRA : dia tena ny tarehiny mihitsy izany no hitanao tao @ ilay nofy ?
CASSIAH: tsy hitako tsara aloha ny tarehiny e! toa ohatran’ny tsy tadidiko tokoa.
FETRA: dia mbola hodisoanao indray izao aho raha hilaza fa saropiaro amiko @ Miggel ianao. Ary mino aho fa tsy I Miggel irery fa izay vehivavy miresaka amiko rehetra mihitsy!
CASSIAH: tena misy dikany be tamiko mihitsy ilay teniny omaly hoe: “ohotran’ny efa nifankahita izany isika; ohatran’ny hoe efa olona fantatro izany ianao.” Henoy tsara fa tena toy izany anie ny sarintsarin’ilay nofy e!
FETRA: (mihomehy) tena aleo miasa @izay isika Malala a! raha mitohy eto ihany mantsy ny resantsika dia angamba rehefa avy eo ihany dia ho lasa adala ianao.
SEHO 013
FANO: dia tsy nisy zavatra tsapan’ise mihitsy ve ry Fetra nandritran’izay 03 volana nifanesy izay?
FETRA: tena tsy haiku intsony hoe inona intsony no tsapako e! Lafatra sy I Cassiah manonofy hafahafa foana izao no hitako sy reko matetika.
FANO: dia is eve anefa tsy mbola nisehoan’ny zavatra toy izany na dia hoe iray fotsiny ihany aza?
FETRA: tena tsy haiku ry dadatoa a! tahaka ny hoe tsy nanofy lihitsy aza aho rehefa matory; ny zavatra mahavariana kely ahy fotsiny dia ny momba ahy sy Cassiah.
FANO: fa misy inona ry fetra? Miady angaha ianareo sa maninona!
FETRA: tsy miady izahay fa mitady tsy hifanaraka. Miafara amin’ny fifandirana foana ny resakay rehefa mihaona izahay.
FANO: ka inona anefa no hevitr’ise mahakasika an’izany e! inona no mety hahatonga an’izany?
FETRA: kai ty resaka mafana rà lazainareo ity ihany koa.
FANO: ka na izaho koa aza ten amino an’izany; dia tena mafrana rà tokoa ve ise?
FETRA: tsy misy an’izany ry dadatoa a! tsy izany mihitsy ny tiako lazaina eto.
FANO: ka tsy misy azoko koa anie raha izany no izy e!
FETRA: kai o resakareo amiko isan’andro io no tena manakorontaana ny saiko e! mahatonga rarin-tsaina be amiko mihitsy ilay izy. Hany ka mora sostra foana aho na dia @ Cassi aza.
FANO: ka inona ary anefa no hidiranilay izy @ nofin’I Cassiah koa e? tsy ise ihany aza ve no nitantara an’izany nofy izany tamiko?
FETRA: tsy misy an’izany e! ny hasarota-piarony ny betsaka; hany ka foronin’ny sainy daholo izao baomba tsy mipoaka rehetra izao.
FANO: Fetra a! dadatoan’ise aho no miteny an’ise, tena aoka ho mailo ise fa miha miseho daholo ny fambara loza nolazain’ilay rangahy fanidy zoro.
FETRA: tsy mino an’izany aho ry dadatoa a!
SEHO 014
LAFATRA: (eritreritra) “tena I Cassiah itsy miondrika mividy kiraro itsy; aleo aloha hakanesa eny e! mino aho mantsy fa tena mahalala vaovao mihitsy io; aleo akeny dia antsoina e:” (miantso tampoka) CASSIAH???
CASSIAH: (mihoraka kely) tena manaitra koa anie Lafatra izany e! fa andeha ho aiza ianao izany?
LAFATRA: ka mba mihodina aky a! mijerijery mpiantsena.
CASSIAH: tena tsy miova mihitsy ialahy ity ka! Hatramin’I Fetra avy no lasa manahaka ny toetranao.
LAFATRA: fa izany tokoa eo ihany fa efa fantatrao ve ny vaovao?
CASSIAH: fa misy inona ry Lafatra! Misy hanambady hono sa misy tera-bao?
LAFATRA: ka tsy hita anie I fetra e! efa 03 andro izao izy no tsy nody tao an-trano§
CASSIAH: (maneso) angaha? Manaraka vehivavy angamba izay! Na any @ Miggel.
LAFATRA: fa ahoana koa ary Cassi izany; fa tena tsy hitanao tokoa ve izy e?
CASSIAH: angaha tsy noteneniny anao fa efa herinandro izao no nisaraka izahay?
LAFATRA: mba ataovy matotra moa re a! na any ampiasana aza ve dia tsy hihgaona ianareo?
CASSIAH: dia mbola misy zavatra tsy nambarany anao koa reha izany no izy! Nivoaka congé t@ zoma daholo ny mpiasa rehetra, ary afaka 01 volana vao miverina indray.
LAFATRA: tena lalina koa izy izany, tena marary no lohako ka! Aleo mihitsy aloha aho handeha hody ry Casssi a! tena…
SEHO 015
(any an-tsaha)
FETRA: fa inona no ilaivanao ahy e!avelao hoa izaho hody?
VONY: Fetra a! fa ts tianao ve ilay aty amiko? Mbola maro anie ny zavatra hiarahatsika manao e!
FETRA: k any tsy azoko anie dia hoe: fa iza tsara moa ianao no mahasahy manao an’izao fihetsika izao amiko? Dia tsy haritrao akory ve na ny hanaovako veloma ny fianakaviako sy ny olotiako fotsiny ihany aza? Nahoana no dia nalaina akeriny toy izao  aho!
VONY: vony no anarao; na koa hoe vonitantely! Efa nisy hatrizay aho ary mbola hisy hatrany. Fony ianao mbola vao teo ampahaterahana no efa nanjoy anao aho; nifidy anao aho mba ho malalako satria tiako ianao. Tsy andriko azan y fotoana nampiala sakana anao mba hahafantaranao ahy kanjo nisy nanakipy ny masonao hatramin’izao.
FETRA: fa inona koa ary izany zavatra henoko izany! Fa nisafidy ahy ahoana koa ianao fa tsy azoko?
VONY: Fetra a! fony fahagola dia efa nisy ianao ary I FANIHY no fiantso anao ary mpifankatia isika tamin’izany. Tamin’ny taona 1500 no maty ny vatana nitoeranao ary niery tany @ toerana tsy hitako ianao. Tamin’ny taona 1901 ianao no niverina teto an-ètany indray ary nahazo io vatana vaovao hitoerano io. Kanefa indrisy fa nanadino tanteraka ny fisiako ianao!
FETRA: tena marina ve izany! izany hoe rah any azoko tsaara dia…
VONY: mpifankatia isika, andrasa fa asehoko anao ny tantara nisy tamin’izany!
SEHO 016
DADABE: poa poa! Tena loza ry izy mianaka a!
LAFATRA: fa misy inona ry ingahy Rafakatro a! tena tsy misy azoko mihitsy marina e! na izao fahitana an’I Fetra aty anelakela-bato ity izao aza toa ohatran’ny tsy mampandry saina ahy mihitsy!
FANO: fa ahoana tokoa ry ingahy Rafakatro izy ity a! sady tena tsy mahatsiaro tena anie Fetra e?
DADABE: ka izany indrindra no hilazako fa tena loza ry izy mianaka a! tena miambozona fanahy ilay kely ka izany no anton’izao, ary ny tena loza amin’ilay izy dia I Nala no miaraka aminy any na koa hoe Vonitantely e!
LAFATRA: Nala hoe e? fa maninona izany ry ingahy Rafakatro a!
DADABE: fanahy iraka izy io ry ilay kely a! fanahina tovovavy tany @ taonjato faha 12 tany izy io ary maniry sy mitsiriritra an’I Fetra; tsy manana fotoana betsaka intsony isika ry izy mianaka a! efa atomotra ny fotoana.
FANO: tena tsy mazava loatra anie ny tianao holazaina ry ingahy Rafatro e! fa inona no manjoa ny Zanako any?
DADABE: eo ampamohizana izy ankehitriny ary mila vonjena malaky fa raha tsy izany kosa dia tsy hiverina ho namatsika intsony fa ho hazan’ireo fanahy mpiremby. Eo ampanatanterahana ny dingana farany izy ireo ankehitriny
LAFATRA: ka inona ary no tokony atao e! maty any ihany ny zokiko.
DADABE: tsy mana-pidiny anefa isika ry izy mianaka a! ary tsy maintsy hisedra olana indray satria…
SEHO 017
(any paradise)
VONY: hitanao ve io ry Fetra? Jereo tsara fa misy zavatra sehoko anao ito.
FETRA: tena mahita zavatra mihitsy aho, olona maro be no hitako sady misalotra akanjo mitovy avokoa!
VONY: inona koa ny mbola tsikaritrao ao! Lazaoa daholo izay zavatra hitanao fa aza manahy e!
FETRA: dia misy toy ny hoe mpanjaka izany koa io mijoro anoloana io! Toy ny hoe efa andro taloha be izany ity vanim-potoana misy azy ity!
VONY: ianao io Mpanjaka io ry Fetra a! ianao sy ny vahoakanao ireo;
FETRA: ahoana tsara hoe e? dia fanjakako ahoana koa anefa e? fa angaha mpanjaka aho!
VONY: zanaka mpanjaka tao amin’ny faritra anankiray antsoina hoe ANJIRO TELORANTSANA ianao; ary andro nampakarana anao hoe eo @ fanjakana io asehoko anao io!
FETRA: fa nahoana anefa no hoe izaho no nomena ny fanjakana ka! Angaha tsy misy iray tam-po aho?
VONY: nanana rahalahy tokoa ianao saingy voaantso hanatevina ny tafiky ny tandrefana izy ka manefa fanompoana any; mahery vintana toa anao koa izy io ka natahoran’ny rainao indrindra; fa sao hono ka ho rava ny fanjakana raha miara mitoetra eto avokoa ianao sy izy!
FETRA: dia iray ihany izany no rahalahiko? Sa mbola manana anabavy koa aho?
VONY: mbola manana zandry faralahy kely iray izay ianao ary anabavy tokana saingy…
FETRA: saingy ahoana?
VONY: ny tena marina re dia kambana ianao a! kambana aminao daholo izy mianadahy ireo!
FETRA: ahoana tsara hoe! dia aiza amin’ireo olona manotrona ahy ireo anefa izy ireo ka! Toa ohatran’ny tsy mahita soritra eto akory aho
VONY: (misento) sahiran-tsaina loatra rainao t@ fanolorana ny fanjakana hoanao t@ izany satria zaza kambana ianao; raha ny tokony ho izy mantsy dia miara-manjaka ianao sy io kambana aminao io ary mizara mitovy ny fanjakana sy ny fahefana. Amin’ny maha loha roa anareo anefa dia samy manana ny foto-keviny avy ianareo ka natahotra izy fandrao ho rava ny fanjakana.
FETRA: dia novonoina ve ilay kambana tamiko sa natao inona?
VONY: tsy nana-tsafidy rainao fa tsy maintsy naka ireo ombiasy teo an-taàna izy ary naka hevitra tamin’izy ireo, tapaka tamin’izany fa tsy maintsy ampifanandrinana eo anjoron’ny Adizaoza ny hasim-bintanareo. Indrisy anefa fa resy teo anetrehana intelo nifanesy ny vintan’io rahalahinao io na dia tena niala nenina fatratra aza rainao!
FETRA : (taitra) Ann ! Dia…
SEHO 018
FANO: fa hisedra olana hafa inona indray anefa isika radada a?
DADABA: mety hamoy aina roa isika ry ingahy Rafano a! kanefa mety hahavonjy aina roa ihany koa; na tsy maintsy ho very aina iray koa anefa!
LAFATRA: rah any azoko tsara izany dia misy ho sorona amintsika?
DADABE: miala tsiny anaka! Tsy maintsy vonjena ny zokinao ary tsy mana-tsafidy isika fa ise no tsy maintsy mandeha manampy azy any satria ise ny mifanakaiky rà aminy!
FANO: ahoana tsara hoe e! dia ahoana no hanaovana an’izany anefa ka!
DADABE: tsy maintsy manao voyage astral ise ary hiverina any amin’ny taonjato faha 13; mifatotra any fanahin’ny rahalahin’ise ka mila famonjena. Tandremo anefa! Fanahy masiaka tsy mifaditrovana no tsy maintsy hifandona @ ise any;
LAFATRA: eny ary e! manaiky aho raha izany no hahavonjy an’I Fetra! Ka lazao daholo ary izay toromarika tokony arahina e!
DADABE: tsy manana afatsy ora roa ihany sisa isika fa raha vao dila ny maty masoandro ise dia tsy tafaverina aty intsony koa fa tafajanona miaraka any ianareo mirahalahy; ary tadidio fa tsy hitsahatra intsony ny ady ataon’ise any satria androin’ny ady io taonjato io!
SEHO 019
FETRA: dia novonoina izany ilay kambana tamiko?
VONY: sanatria! tsy novonoina izy ka! Saingy tsy maintsy natao sesi-tany satria manimba ny fanjakanao.
FETRA: fa manimba ny fanjakako ahoana e, nahoana raha navela hiara-mitoetra teto ihany izahay.
VONY: noho ny faharesena imbetsaka teo hasim-bintanareo dia mazava ho azy fa tsy maintsy hanompo anao eto amin’ny tanin-drainy ny zandrinao! Tsy zakan’ny rainao ny nisaintsaina izany ka naleony nafindra ho @ fanjakana hafa ny zandrinao mba hananany fiadanana kokoa!
FETRA: ary aiza indray ilay anabaviko ary e! inona indray no nanjoa azy?
VONY: hitanao ve io tovovavy miankanjo volomparasy ankavian’ny seza fiandrianana io? Io no Felaniary anabavinao! Tsara tarehy indrindra t@ tovovavy taty @ firenena atsimon’ny bolantany izy io ary isan’ny tsara fanahy indrindra teto @ fanjakana! Diso teo anatrehan’I HARSALMAN tompo lehiben’ny fanahy hiraka anefa izy t@ taonjato faha 16 ka mbola manefa sazy any anefitry ny nofy hatrizao!
FETRA: fa nahoana anefa e! anagha tsy mba nisy famelan-keloka tamin’izany!
VONY: tsy ny Maitre HARSALMAN no tompon’ny teny farany hoan’ny fanahy; mpanatanteraka hiraka fotsiny ihany izy satria mbola fanahy hiraka ihany koa!
FETRA: FA ohatran’ny misy zavatra mandindona ahy anie izany e! sa ve tsy mahatsapa na inona na inona ianao?
VONY: andao malaky hiala teto aloha isika! Misy fanahy mpiondrana tonga eto ka izany no mahatonga anao hahatsapa zavatra mandindona toy izany!
FETRA: (taitra tampoka) Vony a! ary toa …
SEHO 020
(ao an-trano)
FANO: dia hiandry izay fidonany eto fotsiny ve isika ry ingahy rafatro a! sao dia tokony hanampy azy ireo isika?
DADABE: tsy misy hevitra azontsika atao aloha ry Mr Rafano a! miandry sy mijery izay zava-miseho any ihany aloha no vitantsika! Ny mampanahy kely ahy fotsiny izao dia…
FANO: fa misy inona ry ingahy rafatro a?
DADABE: raha sanatria ka diso fihetsika iray monja any I Lafatra dia tena ho sarotra ny fiverenany aty ary mety tsy hanampahefana aminy intsony koa isika!
FANO: fa inona anefa ny fahadisoana mety hitranga ka manakana ny fiverenany e!
DADABE: fanahim-behivavy no mitoetra ao @ Lafatra, ary tsy maintsy hiova amin’ny endrik’io fanahiny io izy rehefa tonga any! Fa raha tsy izany mantsy dia tsy afaka hanao na inona na inona any mihitsy izy ary ho sarotra ny ady miandry azy.
FANO: tena loza loatra ny miandry azy any raha izany! Tena ataovy izay azonao hanampiana azy re ry ingahy Rafakatro a! tena miangavy.
SEHO 021
LAFATRA: (eritreritra) “aiza ary izany toerana misy ahy izany! Tena kitroka daholo ny manodidina ahy rehetra; sa ve aty an-koatra no misy ahy? Andraso aloha fa ohatran’ny misy hazavana kely hitako io aloha kely io! Tena zara raha mazava izy izany; aleo hamonjy ho eny aloha e! (feo mamindra) (sempotra) tena mba efa ela ihany izay nandehanako izay fa tsy mbola tonga eny @ ilay hazavana akory aho, kanefa tsy dia lavitra akory ny fijeriko azy teo! Tena hafahafa mihitsy aty, sa ve sanatria ka aty @ tontolon’ny maty no misy ahy!?”
CASSIAH: (eritreritra) “tena tonga aty ihany aho marina! Dia inona anefa no ataoko! Kirihitra sy ala be daholo ireto manodidina ahy ireto; ary inona koa izany feon-javatra manakoako be sy mampihorohoro izany? Ary avy aiza koa no nipoiran’ireny goaika maro be ireny? Tena mampatahotra loatra izy izany; (gaga) ary misy tovolahy koa anie itsy aloha itsy e! jereo fa miherikerika fotsiny itsy ataony; fa maninona anefa raha hanatonako eny aloha e? mino aho mantsy fa mety mahalala zavatra io”
LAFATRA: (eritreritra) “ary ohatran’ny misy olona mandeha anie izany e! tena hafahafa ka! (taitra) ary toa…ary toa I Cassiah anie izy izany e? tena tsy mazava ka; fa…?
SEHO 022
VONY: Fetra a! izao no tsotsorimamba afahantsika araraotiny farany; tsy maintsy hiady hoan’ny fanjakanao anefa aho ary tena hitolona hoan’ny seza fihandriananao!
FETRA: fa tsotsorimamba ahoana fa tsy azoko! Hafahafa anie izany teninao izany e.
VONY: zavtra maro no tsy maintsy hatrehatsika ry Fetra a! ary tsy maintsy hiatrika an’izany daholo na izaho na ianao; ary mety hiafara @ faharavantsika izany raha tsy voafehy.
FETRA: fa inona anefa no anton’izany rehetra izany e; azavao amiko aloha fa tena tsy mazava amiko loatra.
VONY: misy fanahy hiraka tonga eto @ zarantaninao ary mitondra baiko @ fisamborana anao izy ireo! Tsy maintsy hitolona izy ireo ary hiremby anao ho babony no tanjony!
FETRA: dia…
VONY: dia hiady izy; ary handrava anao! Saingy tsy hanaiky an’izany aho ry Fetra a. hiady ho anao sy ny fanjakanao aho ary tena hitolona; satria tiako ianao!
SEHO 023
DADABE: tena ady no miseho any ry ingahy Rafano a! tezitra ireo fanahy ary tena hanao izay ho afany! Tena tsy hitsitsy mihitsy izy ireo raha ny fahitako azy ato fa tena hamotika izay sendra ny fahatezerany eny!
FANO: dia ahoana anefa ny momba an’I Lafatra ka! Inona ny mety hanjoa azy?
DADABE: atreto aloha toa ohatran’ny tsy dia misy mampanahy loatra ny aminy; fa ny mahagaga dia misy fanahy iray miaraka aminy any. Fanahy tsy dia lavitra loatra ilay izy fa mpiondrana avy aty @ ankehitriny; ary fanahy efa zatra azy!
FANO: ao hoe jereko izatsy izy ry ingahy Rafakatro? (taitra) andrekaiky Ô! Fa toa…tena Cassi iny miaraka aminy any iny. Tena izy mihitsy iny ry ingahy Rafatro a!
DADABE: fa inony iny kiala kely iny anefa? Aza hitako ka…draidraidray! Poa… tena loza!
FANO: fofombadin’I Fetra iny kiala kely iny; fa ny mahagaga ahy dia hoe ahoana no nahatongavany tany koa!
DADABE: izay vao ho tena soarotra ny raharaha;
FANO: fa ahoana radada a! azavao fa na izaho koa aza mba fanina mandinika ilay toe-draharaha.
DADABE: ka mifaningotra ny ain’izy roa ireo e! vintana tsy tokony hiara-hiasa; fa tsy vitan’izay koa fa tsy afaka haka endrika vehivavy mihitsy I Lafatra satria ny fanahin’io vehivavy miaraka aminy io no manala ny hery afahany misalotra an’izany.
FANO: dia ho taraiky any ve ny zanako! Tsy manaiky an’izany kosa aho ry ingahy Rafatro a! tsy maintsy vonjeko ny zanako.
DADABE: mitonia aloha ianao ry ingahy Rafano a! efa hitako ny tokony atao amin’izany fa aza manahy ianao! Saingy tsy mampanantena anao anefa aho hoe ho vita mora ny any; sarotra loatra mantsy ny zavatra miandry antsika!
FANO: ka inona ary no hatao e?
SEHO 024
LAFATRA: (mangovitra) fa ahoana izao ry Cassi a! manao inona aty ianao?
CASSIAH: hitady an’I Fetra aho; hanavotra azy koa!
LAFATRA: fa fantatrao angaha hoe aiza isika! Tena tsy haiku anie izay atao aty ry Cassi e!
CASSIAH: aty @ tontolon’ny fanahy angamba isika! Niverina aty @ taonjato faha 13
LAFATRA: aoka tokoa fa izay vao tsaroako! Tena izay vao tadidiko tsara. Sia andeha ho aiza anefa isika ka; tsy misy fantatro akory izay atsimo sy avaratra aty mantsy!
CASSIAH: ka andao ary hizotra amn’iry lalan-kely iry e! mino aho fa lalana azo antoka tsara any.
LAFATRA: fa ahoana no hilazànao hoe azo antoka any? Tsy mety izany fa aleo aty @ lalana tsy be mpandeha no mandeha ka; tadidio fa tena miafina isika mba tsy hisy hahafantatra.
CASSIAH: ka andao malaky ary e!
LAFATRA: fa henonao ve ry Cassi izany zavatra izany; (rivotra mifofofofo) ohatran’ny hoe avy atsy amin’itsy ala kely itsy no misy ilay izy!
CASSIAH: tena marina raha tsy biby izany ry Lafatra a! tena biby izany.
LAFATRA: dia inona no atao ary e! tena matahotra be koa aho!
CASSIAH: aza mora matahotra eo moa ry Lafatra a! ary henoy aloha fa ohatran’ny misy feo izany!
             “tongasoa aty @ fahalalana! mahaiza mihaino ny fieritreretana dia ho mora ny hanadina ny omaly ary hisambotra ireo rakitry ny ela”
LAFATRA: fa inona ny dikan’izany hevi-teny izany ry Cassi a! tena tontolo hafahafa mihitsy ity hiainantsika ity ka!
CASSIAH: ka efa nolazaiko anao teo hoe niverina aty @ lasantsika isika ary miverina miaina ireo zava-nisy t@ izany; mbola niaina tao anaty fahitana sy fanambaràna ny olona tamin’izany na ilay atao koa hoe revelation! Izay no anton’inyu feo tsy fantatra teo iny.
LAFATRA: dia iza anefa ilay niteny teo iny e! olona ve sa fanahy?
CASSIAH: fanahy iny; saingy tsy haiku hoe iza! Ny tena azo antoka fotsiny izao dia hoe misy mahita isika sy izay ataontsika aty @ izo ora izao ary hinoako fa fanahi’ireo tompo mpifehy ny fanahy iny nnilaza tamintsika iny.
LAFATRA: ary toa…toa anjely sy miaramila be dia be anie ireo avy manatona aty ireo izany e! andao hitsoaka ry Cassi a! malaky ianao!
CASSIAH: loza marina! Ka andraso ary aho e!
SEHO 025
DADABE: tena efa ho dila ny fotoana ry ingahy Rafano a! tsy manana hevitra afatsy tokana ihany anefa isika! Eo ampamoizana izy mirahalahy zanakao; ary tsy ho afa-bela any ihany koa ilay kala kely fofom-badiny satria I Vonitantely sy ny tafika rehetra no avy hamely azy any;
FANO: ka hevitra toy ny ahoana ary anefa izany hevitrao izany e!
DADABE: tsy manana hery hanoherana azy ireo izy dahy; Fetra kosa efa Laitran’ny hevitr’I Nala ka tsy hilavo-lefona mandrakizay. Izaho no tsy maiintsy makany ry ingahy Rafano a; hiady aho ary hanavotra azy telo mianadahy!
SEHO 026
VONY: Fetra! Ianao no I fanihy; Ianao ilay fanidy zoron’ny fahefana; ianao ilay nanambarana ny hery ho aina telo hifito fanahy! Eo an-tananao Anjiro Telorantsana; ianao no tompon’ny voninahiny.
FETRA: ho voninahitry ny fanjakako dia hiady aho ary tsy maintsy hitolona.
CASSIAH: Lafatra a! jereo fa manao velirano ry zareo; jereo fa manarona ny lohanny @ elany daholo ireo anjely mpiara-dia! Tena ho loza ny hanjoa antsika.
LAFATRA: tena nidiran-doza isika ry Cassi a; atao ahoana ny hanohitra fanahy; ary indrindra ireto habetsany! Jereo fa andiany telo mihitsy ireto tonga hamely antsika ireto!
VONY: ry Hiraky ny omaly! Mitsangana ka rembeo ny fahavalo; eo an-tananao ny fahefana ka aringano izay tsipary!
FETRA: ry fanahy mpiremby; hirak’Anjiro Telorantsana! Mizora ka ripaho izay fahavalon’ny fanjakako fa ianareo no antsy sady sabatro! Aza asiana minitra very na dia ny segaondra iray monja aza!
DADABE: atreo ihany ry Fetra a! tsy azonao atao ny mandringana fanahy; mizora ka miverena eo anjoron’ny Alahamady! Tsy ianao no I Fanihy.
LAFATRA: igahy rafatro! Fa…
DADABE: tsy ilaina intsony izany fanontaniana izany ry Lafatra a! miambozòna hery ise fa hitolona sy hiady!
LAFATRA: ka hahavita inona amin’ireto vahoaka be dia be ireto anefa isika e!
CASSIAH: Lafatra a! jereo fa iretsy aorianantsika iretsy koa anie ka misy arikanjely maro be e! jereo fa miady sy manohitra ireo miaramilan’I Fetra izy rehetra!
LAFATRA: fa inona daholo izao ry ingahy Rafatro a! azavao fa tsy tena azoko.
DADABE: fanahin’Andriana ireo manampy antsika ireo fa tsy anjely araky ny fahitanareeo azy akory; hiaro an’I Fetra no ataontsika satria horinganina miaraka @ Vonitantely izy ary tsy maintsy ho voasazy mandrakizay.
CASSIAH: voasazy mandrakizay?
SEHO 027
VONY: Fetra a! jerenao!!! Hitanao angamba iretsy olona telo mianaka iretsy.
FETRA: hanohitra antsika ve! Ary hinoako marimarina fa na ny magitsokitsoka aza dia handaha ny fisian’izy ireo; dia mihomana ary fa ataoko manjavona ianareo ry fanahy kely saina sady jamba tsy mahita ny loza miandry azy!
LAFATRA: Fetra a! tandremo fa tafidittra anaty fandrika isika! Aza mikasika na mihazona an’iny tehina iny fa tehin’ny loza sy ny fanahy ratsy rehetra iny!
CASSIAH: Fetra! Mitandrema tsara ianao fa miankina aminao daholo ny fiainantsika rehetra aty! Aza manao izay hapidi-doza antsika Malala a!
VONY: (mihomehy) Malala hoe? Aza manantena an’izany intsony fa efa tontolo hafa izao ny misy antsika! (mihomehy)
DADABE: (miteny mafy) dia mihomana ry kiala kely fa hifanandrina eto ary isika! (mibitsibitsika) Lafatra a! mandehana ianareo mandeha fa aleo izaho no hiady eto; mandehana avoty I Fetra!
LAFATRA: ka na I Fetra aza anie tsy mahalala ny zavatra ataony akory e! atao ahoana ny hamerina ny fanahin’io indray?
CASSIAH: (mitomany) tena tsy tompon’ny tenany intsony I Fetra ry ireto a! jereo fa tena tsy misy fantany akory isika! Tena mandrava sy mamotika izay rehetra eo alohany izy; tsy mitsitsy mihitsy fa mamono ireo arikanjely @ alalan’ilay tehina mena eny an-tanany.
DADABE: aza mandany fotoana iintsony ianareo dahy fa kely sisa no azontsika araraotina! Mandehana ery @ iry tendrombihitra iry ary vahao fa misy rantsakazo mifamatotra ao! Dia angadiho eo ampototr’ilay hazo fa misy tanambokovoko milevina ao. Ento aty fa hanampy antsika io!
SEHO 028
FANO: dia hiandry fotsiny eto ve izany no ataoko! Tena tsy mandry ny saiko ka! Aleo mba hietsika koa aho e; sitrany ahay mba misy akony any ny zavatra ataoko aty. Aleo alaiko aloha itsy fitaratra itsy dia atao izay mba kely fantatro rehetra; io fa manomboka manjelatra! Ary aleo atao amin’izay e.
SEHO 030
FETRA: dia mihevitra ny hahavita inona hono ity lahy antitra efa drodroka ity? Mba tsy hisian’ny rà mandriaka dia tsara ihany raha mifanaja isika ! avotsory iny tehana sy lamba volomparasy iny raha tena fandriampahalemana no anton-dianareo!
DADAB: tsia ry ilay kely a! fitaka; fitaka ny ao an-dohan’ise! Tsy handrava velively izahay na koa hoe hamingana an’ise fa hanafaka ireo fanahy remby aty amin’ity toerana ity fotsiny ihany; ary isan’izany ise!
FETRA: (mihomehy) dia heverinao fa kely saina ve aho ka tsy hahalala ny hevitr’ireny zavatra an-tananao ireny? Ary ela be izany fa izany ary tatazo e! (varatra milatsaka)
DADABE: loza marina; tena tsy mitsitsy I Fanihy sy ny fahatezerany! Fanahy mahery izy ary tena mandrivorivo no sady manana valifaty lehibe! Miala tsiny aho ry zareo fa tsy maintsy miaro tena a! (varatra mifanaretsaka)
CASSIAH: Lafatra a! jereo fa rafitra ny fifandonana @ Fetra sy Dadabe Rafatro; jereo fa samy mirehitra sy feno varatra mifanaretsaka avokoa ny manodidina azy anankiroa!
LAFATRA: ahoana tsara hoe ry Cassii ? ao ampionao malaky aho hisintona an’ity tanambokovoko ity fa ity ihany no vohaolana hampitony izao rehetra miseho izao!
CASSIAH: (mitomany) tena matahotra lesy izaho ry Lafatra a! dia ho faty aty ve ny malalako! Jereo fa tena mifandringana mihitsy izy sy rafakatro;
LAFATRA: aza laozana mitomany eo intsony aloha e! efa azoko ilay izy fa andao malaky hiala teto isika! Malaky ianao fa tena misy horohoron-tany mahery vaika be izany. (Miantso mafy) Cassi a! Cassi? Tena loza marina; Cassi a !!
SEHO 031
DADABE : ry fanahin’Adrianampoina ! Ry Fanahin’Andriantsitohaina sy ireo fanahy fanidy zoron’ny Alahamady ! mitambara eto ANJIRO TELORANTSANA fa ianareo no Andriana zoro avarapatany !
FETRA : fa inona koa izany horohoron-tany be izany e ! Nala a! Vony a? fa nakaiza ianao e.
VONY: may aho ry Fetra a! misy mandoro aho; levona ny tenako! Fetra a! vonjeo aho; vonjeo aho Malala a. (mikiaka)
LAFATRA: “tena loza fa rava ilay tanàna rehetra marina!” Cassi a! tsy naninona ianao ?
CASSIAH : tsy naninona aho fa ny tongotro avia no tsy afaka mamindra intsony ! maty aty isika ry Lafatra a!
LAFATRA: tsy misy an’iazny Cassi a! ao babeko malaky enao fa hiotahan’ny tany eto isika raha miraikiraiky eto; malaky ianao fa hofaty any ihany fetra e! (mihazakazaka)
DADABE:  Lafatra! Tara loatra ise; tsy misy azo atao intsony anefa izao! Tototra ao ambanin’io vohitra io izy ary tsy misy hevitra hamerenana azy intsony afatsy ny aina! aina ihany no tambin’ny aina;
LAFATRA: tsia ry ingahy Rafakatro a! tsia! Tsy maintsy miverina eto I Fetra!
CASSIAH: “ary inona ity ataon’I Lafatra! Noraisiny ilay tanambokovoko ary iny fa nalainy koa ilay tehin’i Fetra teo @ tany; dia io fa natondrony manandrify ilay vohitra mirehitra ilay tena! (taitra) ary toa…toa…Andrekaiky Ô! Natsatony nanandrify ny fony ilay tanambokovoko; jereo fa miha levona daholo ny tenany! (mitomany) loza; maty Lafatra! Maty koa izy. (mitomany)
SEHO 032
FANO: ahoana tsara hoe?
CASSIAH: izany daholo ny zava-niseho tany ry dadatoa Rafano a! maty izy roa Lahy!
DADABE: efa tena nanao ezaka daholo izahay rafano a! saingy izao moa ny vokany; maty izy roalahy! Saingy Lafatra no tsy hiverina intsony; voasazy mandrakiozay izy noho ilay tanambokovoko sy tehina ratsy nandravany ireo vohitr’Andriana; fa I Fetra kosa dia hitsidika antsika ihany !
FANO: fa hitsidika ahoana indray e! (mitomany) very aho marina! Ataoko inona intsony moa ny fahanterako ! ny solofo mandimby aza jereo fa ringana daholo!
DADABE: hiverina hitsidika antsika indray hoy aho I Fetra rehefa afaka herintaona toy izao; noho I Lafatra no anton’izany; ary io zaza ankibonao io ry Cassiah no afahany miverina miara-miaina amintsika indray a. Mbola any I Fetra!

TAPITRA
                                                  
Mpanoratra : TOLOTRA Misantatra na Zavona Rakoto
10 1

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113