MITENY AMIN'NY TENY TSY FANTATRA REHEFA MIVAVAKA? (Zavona Rakoto)

Mpanoratra Zavona Rakoto
Nampiditra ZavonaRakoto
Nitsidika 9
Mpanoratra Zavona Rakoto
faNDINIHANA TSOTRA
Pejy 1
Somary efa ela ihany izay tsy nifampiresahanantsika tato izay e?
Aleo ary aloha asiana fifampizarana kely e,sady handraisana fahalalana vaovao ihany koa mantsy.


Gaga be izao ny sasany hoe "Fa nahoana tokoa no misy mpivavaka,na [fivavahana] manao io fomba io rehefa mivavaka any ampiangonana?". KKKKKK, sady misy mitomany mihitsy aza ny sasany hoy isika izay.
Tsy asiana safary betsaka intsony angamba fa andeha hovoaboasana avy hatrany hoe FA MANINONA?

----------> betsaka aloha ny talanjona e! fa raha ny doctrine izay hijoroan'ireny Fiangonana zandriny ireny dia tena ARA-BAIBOLY tokoa izany. Jereo ao amin'ny

     ASAN'NY APOSTOLY 2: 4 Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy.
                              sy  19:6 Ary rehefa nametrahan'i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary niteny tamin'ny teny tsy fantatra izy sady naminany.

---------->Midika aloha izany fa dia MARINA ilay hoe tena misy ny mpivavaka rehefa mivavaka dia lasa miteny amin'ny teny hafa tsy hay. (mety ho teny sinoa,na arabo na izay hitarihan'ny fanahy masina azy ao)

FANAHY INIANA VE?
Eto ilay mipetraka ny baraingon'ny olona maro hoe: ka misy anie ny sasany ka manao fanahy iniana fotsiny e,aiza ve ka mbola 2 minitra izy no mivavaka eo dia miboredika tampoka izany.
----->Mitombina ve izany?
Aleo jerena ao amin'ny 1Korintianina 14:4 Izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia mampandroso ny tenany;
                                                           :14 Fa raha mivavaka amin'ny fiteny tsy fantatra aho, dia ny fanahiko ihany no mivavaka, fa ny saiko kosa tsy mahavanona.

Angamba tsy dia hazavaina lava be kosa e,efa mazava tsara hoe "mampandroso ny tenany..." sy ny hoe "ny fanahiko ihany no mivavaka..."

FA MANINONA NY FIANGONANA ZOKINY NO TSY MANAO TOY IZANY?
Tsy hoe tsy kristiana na hoe tsy mino fa misy TEBOKA LEHIBE izay tazomin'izy ireo.

1)zavatra manokana na (special) izy io ka tsy natokana hoan'ny rehetra.
2)efa nametraka izy ireo fa misy ny litorjia ka izany no tokony arahina hitazomana ny filaminana.
3)Heverin'izy ireo fa tsy tokony ho ivon'ny fivavahana izany.

Maro no azo resahana fa izay no tena fototra tsy hanaovan'izy ireo azy.

NY FIANGONANA ZANDRINY

Tena manan-danja amin'izy ireo kosa izy ity satria noraisiny ho famantarana ny fahazoana ny fanahy masina na (presence de la Sainte Esprit) izy io.
Tsisy diso noho izany fa "Ataovy azo antoka tsara fotsiny hoe Manana ny FAnahy masina miaraka aminao ianao" satria tadidio fa io no Marika hanavahana antsika amin'ny andro fandringanana"



Samia tahian'Andriamanitra sy i Jesosy Kristy Tompo daholo
9

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0283