AZO AMPANDROSOINA TSARA I MADAGASIKARA (AZRAEL)
Toa zavatra tsy azo inoana, fa toa anganongano ihany ny fampandrosoana an'i Madagasikara indray andro any!... Diso anefa ianao raha misaina toy izany, fa tena azo atao tsara ny mampandroso an'i Madagasikara...
Pejy 1
Aty amin'ny faritra iasako, aty Bemaha (amin'ny ankapobeny dia hatreo atsimon'i Tritriva ka hatrany amoron'i Mania no antsoina safobemantsina hoe Bemaha), dia toerana somary dezaka. Dezaka nefa feno "surprises" be dia be miandry anao raha maharitra kely ianao: mbola feno ala voajanahary any (misy alan'irony Mandravasarotra irony manokana), tena tsy ory rano, misy vatosoa isan-karazany (indrindra fa ny beryl, cristal...), feno harambato sy lava-bato (grottes), mbola feno akanga dia, bibilava manditra sns.Ankoatra izay dia mety hahagaga ny mponin'andrenivohitra tokoa angamba ny hahita ohatra, fa eto amin'ny Kaominina ambanivohitra Marososona misy ahy dia misy "poteau" mitovitovy amin'ireny an'ny JIRAMA ireny. Izany hoe: misy jiro sy angovo elektrika aty Marososona, ary tsy andoavana "facture" isam-bolana! Ary raha mahatety ny Kaominina Marososona ianao, dia ho gaga fa feno tahaka izany aty!
Tovolahy anankiray tsy nahita fianarana no "tompon'ny ketrika" amin'izany. FA NY VITANY TSY VITAN'NY FANJAKANA.,
Hametraka hevitra
Midira aloha