AZO AMPANDROSOINA TSARA I MADAGASIKARA (AZRAEL)

Mpanoratra AZRAEL
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 59
Mpanoratra AZRAEL
Toa zavatra tsy azo inoana, fa toa anganongano ihany ny fampandrosoana an'i Madagasikara indray andro any!... Diso anefa ianao raha misaina toy izany, fa tena azo atao tsara ny mampandroso an'i Madagasikara...
Pejy 2
(Tohiny)
Vitan'io tovolahy io misy angovo elektrika (courant) avokoa ny kaominina Marososona, Ibity, Bemaha manontolo, kanefa dia tantsaha hiringiriny tsy dia nahita fianarana izany olona izany. "DynamĂ´" tsotsotra vidiany amin'irony "burocanteur" irony no anamboarany izany, ampiany "tuyau", sns dia ahodina amin'ny rano.
Inona moa no tiako hahatongavana? Mahagaga ahy ny Fanjakana Malagasy tsy mahavaha olana "delestage" ity, nefa aty aminay io tovolahy io dia mahavaha olana amina Kaominina telo sy efatra. Amiko sy ny fijeriko mivantambatana, dia iniana tsy ampandrosoina fotsiny izao Madagasikara! Nahoana vita ny manao "pipeline" Moramanga-Toamasina (tsy fantatra intsony ny harena azo eo anelanelan'io faritra io mety ho jabo levona any) ho an'Ambatovy, fa tsy vita izany rehefa hitondrana rano ho any Toliara avy ao Fianarantsoa? Tadidintsika ve ny resaka "puce electronique" @ omby? Ilainay aty Bemaha izany, fa tsy natao... Indrisy! FAISABLE, SAINGY INDRISY FA... POAK'ATY!
59

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1067