AZO AMPANDROSOINA TSARA I MADAGASIKARA (AZRAEL)
Toa zavatra tsy azo inoana, fa toa anganongano ihany ny fampandrosoana an'i Madagasikara indray andro any!... Diso anefa ianao raha misaina toy izany, fa tena azo atao tsara ny mampandroso an'i Madagasikara...
Pejy 3
Ary hamaranako ity lahantsoratra ity dia resaka fandriam-pahalemana; mametraka fanontaniana aminareo mpitondra aho manoloana ny fiparitahan'ny fitaovam-piadiana. Aty ambanivohitr'i Bemaha aty dia saika manana basy (mass36, calibre12) avokoa ny mponina, satria mpiompy omby avokoa. Fa ny mahagaga ahy koa dia ny dahalo: manana kalachnikov sy fitaovam-piadiana raitra avokoa! Mampametra-panontaniana ny fiparitahan'ireny! Ankoatr'izay dia mahagaga ahy koa ireny "milice" tsy fantampatatra be dia be aty ireny, dia ny Zazamainty, Lambamena, sns. Toa hoe manana "autorisation" ara-panjakana hitana fitaovam-piadiana, hono, izy ireo (?), ary toa hoe: "colonel"(?) izany hono no lehibeny. Dia gaga aho, satria raha ny haiko, dia "illégal" eto M/kara ny fanaovana "détéctive privé", ny fananganana milisy... Ary inoako fa tsy handry fahalemana tanteraka ny tany raha tsy hajainareo mpitondra miaraka aminay vahoaka ny Lalàna velona!
Hametraka hevitra
Midira aloha