FIAINAM-PITSITSIANA MALAGASY (AZRAEL)
Sao ny tsy fahaizantsika tanora taty aoriana mitsitsy no mampahantra antsika?
Pejy 1
Ireo olon-dehibe tsara taizan'ireo Ray aman-dReniny fahiny dia mahay mitsitsy. Na dia mora aza ny afokasoka hatrizay, dia fa niezaka hatrany ny tsy handanilany vanjan'afokasoka izy ireo, ka nahagaga fa afokasoka iray boaty taloha dia tsy lanin'ny tokantrano iray mandritry ny herintaona, satria hatramin'ny vainafo aza dia notehiriziny tsy ho faty nanaovany "otrik'afo"! Dada sy Neninay manokana indray hatramin'izay nahafantarako azy dia tsy mbola nividy hena nihoatra ny fahefa-kilao! Ny renibenay indray raha sendra indraman'olona "fourche" handraofana zezika, dia mahateny hoe:"ianareo mahavidy kapa fa tsy mahavidy fourche".
Mety fahihirana angamba izany, nefa koa mampisaina. Amin'izao toa vidiana avokoa ny zavatra rehetra, nefa koa toa mandrobaroba tsy amin'antony ny maro. Vokany dia lasa tsy mamorona ny loha, tsy mitsitsy, miankin-doha amin'ny tsena...dia ny mpivarotra sy ny mpibizna no manan-karena, fa ianao TSY MAINTSY MANJIFA kanefa miha fadiranovana sy mahantra...
Hametraka hevitra
Midira aloha