FIAINAM-PITSITSIANA MALAGASY (AZRAEL)

Mpanoratra AZRAEL
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 41
Mpanoratra AZRAEL
Sao ny tsy fahaizantsika tanora taty aoriana mitsitsy no mampahantra antsika?
Pejy 2
Andao hijery ohatra hafa koa isika, dia ny fijerena fahitalavitra: misy olona ankehitriny dia adiny efatra farafahakeliny no tsy maintsy ijereny télé isan'andro: novegasy, action, dorcel... Nefa io télé io dia tsy maintsy andoavana "abonnement" isam-bolana, mampiakatra "facture" JIRAMA, mamparary maso... Nefa ankehitriny dia efa miparitaka tahaka ny anana ny "batterie" sy ny "panneau solaire", saingy toa efa andevozin'ny fijerena télé mandritra ny ora maro ny ankamaroan'ny olona ka tsy mahavita ny sitrapony ny herinaratry ny panneau solaire.
Tahaka izany koa ny mpifoka sigara: inona no tsy ambolenareo paraky raha tena tsy maintsy mifoka e? Misy mantsy mahalany 4 pacquets isan'andro, nefa raha namboly paraky dia iny tsy mandany vola... Tsy mahavidy na dia mofo kely ho an-janany ireny mpifoka ireny matetika, satria tsy afa-mandefitra ny 4 pacquets isan'andro!
41

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0111