Raokandro Malagasy sy zava-maniry fanao fanafody (AZRAEL)
Tsy ody "gris-gris" fa resaka siantifika mahakasika ny "plantes médicinales" no ato.
Pejy 1
Raokandro! Mandre "surprises" hatrany aho rehefa misy olona mahay raokandro tafaresaka amiko! Ireto zavatra entiko eto ireto, raha sendra nisy nianatra médecina na paramed, dia mba angatahako fanamarinana, fa aty aminay aty ambanivohitra Alakamisy Marososona dia tena itompoana teny fantatra ny fahamarinany:- ody hemmoragie (indrindra ho an'ny vehivavy avy niteraka): ratin'akondro no totoina dia tanehina, na ravina rafy no ampangotrahina, ary atao very sasaka, dia sotroina.
- fanafody vavony: ny ravin-tatamo sy ny voniny, tanehina sy sotroina; torak'izany koa ny mazambody na rambon-totozy, na misotro ranon'ovy manta rapiana dia fiazina.
- ody kohaka sy sempotra: ahi-balala no tanehina sy sotroina. Azo atao koa ny manao hevoka kininimpotsy, kininina ôliva, veromanitra (citronelle), solila (menthe), sns amin'ny gripa sy kohadavareny
- ody tazo: ravim-papay no tanehina sy sotroina.
- ody areti-maso: mitanika ravim-boafotsy ka iny no anasana tarehy sy maso
- ody tension: tsingila tanehina sy sotroina.
Hametraka hevitra
Midira aloha