Raokandro Malagasy sy zava-maniry fanao fanafody (AZRAEL)
Tsy ody "gris-gris" fa resaka siantifika mahakasika ny "plantes médicinales" no ato.
Pejy 2
- Ody androbe (épilépsie): fakan'ny ambiaty no tanehina sy sotroina.- Ody fanintona: voamaintilany telo no atelina atao "telimoka".
- Ody areti-nify manaintaina: mitoto ravim-boandelaka sy tongolo gasy, ka ny ranony sy ny faikany atsentsina ilay nify loaka. Azo atao koa ny manatete ronon'ny fanory anaty nify loaka.
- Ody ativava masaka (aphte): ravina voakazon-dandy no tanehina sy sotroina.
- Ody sinusite: ravina grevillea maina no fohàna tahaka ny sigara.
- Ody Safotany: kininim-potsy na ravintsara sy sira 3 sotro no ampangotrahina, ka atao hevoka sy sotroina.
- Ody hozatra vizaka: sodifafana no ampangotrahana ka isasàna sy androana
- Ody homamiadana: beroberoka na talapetraka no tanehina, ka atao rano fisotro.
- Ody aretin-kibo: ravin-goavy tanehina sy sotroina.
- Vehivavy tsy mandeha fotoana: ravina zavokà no tanehina sy sotroina.
Hametraka hevitra
Midira aloha