FAMPIANARANA SORATRA MASINA: EFESIANA 5:8 (Elysé Azrael)
"Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava kosa ao amin'ny Tompo ankehitriny; koa mandehana tahaka ny zanaky ny mazava"
Pejy 1
Ny Efesiana (mponina tany Efesosy) dia "ry le maizina sy ry kala maizina" taloha hoy Paoly Apostoly. Satria nahoana? Satria tao Efesosy no foiben'ny fivavahana tamin'i Diane na Artemis andriamanibavy grikô-rômana; ary izy no nanana tempoly goavam-be anisan'ny voasokajy ho "zava-mahagagan'ny fisiana" (merveille du monde). Ary vokatr'izany dia nanjaka tao Efesosy ny fanompoan-tsampy (indrindra fa ny magie noire), ny fijangajangana (satria nisy ritoaly fanaovana firaisana ara-nofo mamoafady ny fivavahana tamin'io Artemis/Diane io),sns. Fehiny, "ry le maizina sy ry kala maizina" daholo ny vahoaka Efesiana taloha, satria Maizin-tsaina, maizim-pinoana.Rehefa nitory ny Filazantsara 3 taona maninjitra anefa Paoly dia azo notsapain-tanana ny fiovana, ka sahy nilaza Paoly fa "mazava ao amin'ny Tompo ankehitriny" izy ireo.
Raha isika ankehitriny no itodihana, maizina ve isika sa mazava? Ary ahoana no andrefesana hoe maizina na mazava isika? Sao mazava mivadika maizina no betsaka amintsika ka mivadika ny rasa?
Hametraka hevitra
Midira aloha