FAMPIANARANA SORATRA MASINA: EFESIANA 5:8 (Elysé Azrael)
"Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava kosa ao amin'ny Tompo ankehitriny; koa mandehana tahaka ny zanaky ny mazava"
Pejy 2
Voatsindry manokana amin'ity andalan-tSoratra Masina ity ny fanompoan-tsampy, ny fijangajangana, ny fahalotoam-pitondrantena tany Efesosy teto. Fa isika kosa, iza amintsika no sahy milaza fa tsy mbola:- nanana finoanoam-poana taloha?namonjy mpimasy?nanao famadihana?...
- nijangajanga?nividy mpivarotena?nampirafy olon-tiana na vady?niteraka tany amin'ny sisiny?...
- mpisotro toaka?na mba nanandrakandrana kely sigara, rongony?...
Efa "le maizina" daholo taloha isika e! Fa rehefa tafaray amin'ny Tompo dia andao hiara-hanary ny asan'ny maizina, andao hiaraka "handeha tahaka ny zanaky ny mazava" fa tena tsy afaka miaraka ny maizina sy ny mazava, ny fanompoana an'Andriamanitra sy ny fahalotoam-pitondrantena! "FIDIONAREO ANIO IZAY HOTOMPOINAREO", hoy Josoa, "FA RAHA IZAHO SY NY ANKOHONAKO KOSA, DIA HANOMPO AN'I YHWH IZAHAY". Maro ny olona manana anaran'omby hoe "le mazava" any ambanivohitra any, ka andao tsy ho "ry le maizina" intsony isika e! Tsy ny omby ihany no tokony ho "le mazava" fa isika rehetra!
Hametraka hevitra
Midira aloha