Fanapoizinana ara-tsakafo (Elysé Azrael)
Misy fanjakana ve eto Madagasikara?
Pejy 2
Ankoatra ireo voalaza ireo dia nampahagaga koa ilay fandaharana manokana tamin'ny 23 Jolay 2025 nataon'ny Filoha. Nolazainy tamin'izay fa BELLADONE, DATURA, ARY RAMIARAMAIMBO no nanapoizinana ireo maty tao Ambohimalaza. Ny datura sy ny ramiaramaimbo dia samy fantantsika fa misy eto Madagasikara, fa ity Belladone ity no nahagaga ny rehetra! Ny Belladone mantsy dia karazana anamamy misy drogue mahery vaika tsy hita raha tsy any Europe sy Amerique, fa tsy mety sady tsy misy maniry eto Madagasikara. Dia tsy hitanay intsony ny ambara e! Inona ny marina? Botulisme sa empoisonnement? Aza omena tsiny izahay ry Fanjakana raha tsy resy lahatra intsony amin'izay lazainareo, raha tsy crédible aminay intsony ianareo! Na Belladone na tsy Belladone dia tsy ampy ny fandraisanareo andraikitra. Matimaty foana ny Malagasy... EFA ATAO NY FAMOTORANA... Hoy RADO
Hametraka hevitra
Midira aloha