14 OCTOBRE 2025: TETEZAMITA "RANDRIANIRINA MICHAEL" (Elysé Azrael)
Pejy 1
Androany 14 Octobre 2025 dia sady anniversaire faha 67 taonan'ny Repoblika voalohany (14/10/25), no daty tsy fanadino satria RESY ANDROANY RAJOELINA SY NY FIRONGONY. Rava androany Repoblika fahaefatra: na ireo Depiote nivory androany, na ny Tafika Malagasy dia samy nanongana an'ingahy Rajoelina avokoa. Rajoelina rahateo dia efa nitsoaka any an-dafy, ary miaramila Frantsay (C.A.S.A.) avokoa no miambina azy any.Ny Colonel RANDRIANIRINA Michael avy ao amin'ny C.A.P.S.A.T no Filoham-panjakana avy hatrany tamin'ity tolona ity. Tsiahivina fa ny Génération Z no mpitarika ity tolona ity, ary ny 11 Octobre 2025 dia nipoitra teo amin'ny tantaram-pirenena ilay mesia nandrandrain'ny Gen Z dia ity "Ibrahim Traoré Malagasy" ity.
Hametraka hevitra
Midira aloha