Fahitana... (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 6
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 1
Ny nofy dia fitaovana iray mbola ampiasain'Andriamanitra ankehitriny hifandraisana amin'ny mpanompony mahatoky. Ny Soratra Masina dia tsy milaza fa foana sy lany andro ireny methodes taloha ireny rehefa ananantsika ny Baiboly. Ny tokony hotandremantsika "fotsiny" dia ny fizahan-toetra ny Fanahy na avy amin'Andriamanitra tokoa na tsia.
Ny nofy dia nampiasain'Andriamanitra hifampiresahana tamin'ireo mpaminany maro fahiny (ohatra: Noa, Abrahama, Daniela...), ary ny mpaminanin'ny Testamenta vaovao koa dia tsy vitsy koa ny nofy tahaka izany, ohatra ny nofin'i Josefa nampandosirana an'i Jesosy zazakely tany Egypta; ary ankehitriny koa dia mbola hitantsika koa ireo mpaminany lehibe toa an-dry Nenilava, Rakotozandry Daniel...
Tamiko manokana dia anisan'ny fanomezam-pahasoavana nomen'Andriamanitra ahy ny nofy. Tsy vitsy ireo zavatra nasehon'ny Tompo ahy tanaty nofy matetika: fahafatesana, loza, zava-miafina tsy tokony ho fantatro mihitsy, zava-miseho any ivelany amin'iny fotoana iny manjary azoko nofy...
6

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5826