Fahitana... (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 276
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 3
Torohevitra: rehefa manonofy zavatra iray ianao, ka mazava ny toerana isehoan'ilay nofy (ohatra manonofy ianao fa maty dadabenao any Antsirabe), dia manontania vaovao fa mety misy maty tokoa na marary any Antsirabe na dia tsy dadabenao aza: ilay aretina sy ilay toerana no mila tena tomorina.
Ohatra koa manonofy mpamosavy na miady amin'olona dia TAITRA TAMPOKA amin'ny alina: avy hatrany dia mivavaha, fa Andriamanitra no namoha anao, k'aza miverina matory avy hatrany, fa matetika dia ao an-tokotaninao ao misy mpangalatra na mpamosavy mihitsy amin'iny ora iny...
Ankoatra ireo dia matetika asehon'Andriamanitra ao anaty nofy ireto zavatra ireto: ny mpihatsaravelatsihy, ny mpanenjika anao, fampionona anao amin'ny ratram-ponao, ny fanirianao miafina, sns. Matetika tsy teneniny mivantana izany somary ankolaka, fa kosa ny fahaizanao mandinika tsara, sy ny fifandraisanao amin'Andriamanitra no mampianatra anao hahay ny tiany hambara. Tandremo "fotsiny" manao mpaminany sandoka sy mamita-tena KA HAMPAHATEZITRA NY TOMPO
276

Hevitra mandeha

ZavonaRakoto 18/11/2025 11:20
Azafady r'ise a! tiako hapetraka kely ito fanontaniana fohy ito raha mety. Lohahevitra maro horesahako mantsy amin'ny manaraka ka sao sanatria ka hahatafitohina anao ny zavatra hosoratako.

*Tany aloha raha nampiseho fahitana tamin'ny alalan'ny nofy Andriamanitra (ohatra: tamin'i Abrahama,sy Jakoba sy ireo mpaminany hafa,Nebokadnezara,Josefa zanak'i Jakoba sy Josefa dadan'i Jesosy ara-nofo,sns)

rehefa naneho nofy tamin'ireo andian'olona ireo Andriamanitra dia MANAMBARA NY ZAVATRA HISEO ary MILAZA NY TIANY HATONGAVANA AMIN'ILAY ZAVATRA HISEO.

Raha mandinika aho mantsy dia toa fahitana tsy miteny ilay hoe NAHITA FASANA sy ilay hoe TAMIN'NY 25 SEPTAMBRA. Nahita fotsiny ianao fa tsy nisy fanambarana,tsy nisy na dia fampitandremana na hafatra manokana fa nahita fotsiny.

Ahoana no Hinoanao fa ilay tena Andriamanitra no naneho fahitana ho anao tao anaty nofy?

1korint 12:10.... ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa....

AZONAO VE?
Azrael666 19/11/2025 09:46
Misaotra tsy nisalasala! Ny fitantarako no tsy ampy fa ny zavatra tsy voalazako tao dia izao: tena nisy fampitandremana tokoa tao, ary taty amin'ny tanàna itoerako dia gaga, fa nanao conférence sy nampitandrina vahoaka betsaka aho hitandrina ny amin'ny resaka franc-maçonnerie sy ny resaka crimes rituels, ary izahay moa dia zanaky ny Fifohazana FLM ka t@ Fiangonanay dia nampitandremako tsy hisy hiakatra any Tanà HERINANDRO mahery talohan'iny grevy iny; ary ny zandriko efa nampitandremako koa. Gaga avokoa ny olona rehefa nifanesisesy ny fisamborana an'i Gangstabab,sns niafara tamin'iny 25 sept iny, fa tena nitombina (fifanandrifian-javatra ve?asa aloha). Ny amin'ilay fasana aloha, dia ekeko ilay hoe fahitana tsy miteny, fa ny azoko heverina dia izao: angamba nanao dedoublement aho ka tafavoaka tany ho any fotsiny, na nofy tsotra!
Eo ilay lazaiko hoe mahabe adihevitra sy mahabe resaka izy ity. Fa amiko manokana dia resy lahatra aho fa misy mistery betsaka ao.
Azrael666 19/11/2025 10:44
Mino aho fa avy amin'Andriamanitra tokoa ireo fahitana ireo, satria amiko dia Izy irery no afaka maneho amiko ny miafina sy ny hoavy. Ohatra vao tsy ela koa ity: nanonofy aho fa very hono ny vady aman-janako, ary nitomany mafy aho, ary nony taitra dia mbola nitomany mafy tokoa. Gaga ny vadiko, ka nanontany, ary notantaraiko azy ny nofiko. Dia hoy izy hoe: nofy ihany izany fa calme dia matoria! Iray volana taorian'izay anefa, dia tanteraka ara-bakiteny ilay nofy, ary very tany anaty ala tamin'iny lalana mankany Marolambo iny izy mianaka (toerana tsisy réseau en plus!), saingy misaotra an'Andriamanitra aho fa nisy nampiantrano ka naterin'olona rehefa maraina. Nampitandrina ve Andriamanitra? Eny, saingy inona no azoko natao? Heveriko fa ny antony nanehoana ahy iny nofy-fahitana iny, dia mba hanangonako herin-tsaina betsaka sy hitokiako aminy tanteraka, satria tsy hahaova ny efa voasoratra aho. Izay no fandraisako sy fahatsapako azy, ary heveriko fa tsy manohitohina ny maha Kristiana ahy.

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0292