Fahitana... (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 275
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 2
Tena tsy miresaka mihitsy ireto resaka nofy ireto aho raha amin'ny fiainana andavanandro, satria sarotra inoana nefa iainako. Hino ve ianao ohatra raha hilazako fa efa nasehon'ny Tompo tamiko herinandro mialoha ireny grevy 2025 ireny? Fa dia koboniko ho ahy samirery matetika izany fa sao manahirana.
Tamin'ny alin'ny naha voafidy ny Papa Leon XIV dia efa hitako tamin'ny nofy koa ohatra fa voafidy ny papa iny alina iny!...
Fa ny nahagaga ahy indrindra dia ity: nanonofy nahita fasana misy masom-borondolo aho indray alina. Akory ny hagagako herinandro taorian'iny fa nandeha tany ambanivohitra Alakamisin'andranofito aho, dia hitako tany tokoa io fasana nalaiko nofy io, ary tena teo ilay sarim-borondolo be voamaso mampatahotra...
Tsy milaza azy ho tsindrian-javatra aho, fa kosa tena manindry fa tsy ferana amin'ny fomba tiany hifandraisana amintsika Andriamanitra. Manaiky ny fahefan'ny Soratra Masina tanteraka aho, fa tsy miray saina amin'izay manidy an'Andriamanitra ao anaty dogma sy taratasy.
275

Hevitra mandeha

ZavonaRakoto 18/11/2025 11:20
Azafady r'ise a! tiako hapetraka kely ito fanontaniana fohy ito raha mety. Lohahevitra maro horesahako mantsy amin'ny manaraka ka sao sanatria ka hahatafitohina anao ny zavatra hosoratako.

*Tany aloha raha nampiseho fahitana tamin'ny alalan'ny nofy Andriamanitra (ohatra: tamin'i Abrahama,sy Jakoba sy ireo mpaminany hafa,Nebokadnezara,Josefa zanak'i Jakoba sy Josefa dadan'i Jesosy ara-nofo,sns)

rehefa naneho nofy tamin'ireo andian'olona ireo Andriamanitra dia MANAMBARA NY ZAVATRA HISEO ary MILAZA NY TIANY HATONGAVANA AMIN'ILAY ZAVATRA HISEO.

Raha mandinika aho mantsy dia toa fahitana tsy miteny ilay hoe NAHITA FASANA sy ilay hoe TAMIN'NY 25 SEPTAMBRA. Nahita fotsiny ianao fa tsy nisy fanambarana,tsy nisy na dia fampitandremana na hafatra manokana fa nahita fotsiny.

Ahoana no Hinoanao fa ilay tena Andriamanitra no naneho fahitana ho anao tao anaty nofy?

1korint 12:10.... ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa....

AZONAO VE?
Azrael666 19/11/2025 09:46
Misaotra tsy nisalasala! Ny fitantarako no tsy ampy fa ny zavatra tsy voalazako tao dia izao: tena nisy fampitandremana tokoa tao, ary taty amin'ny tanàna itoerako dia gaga, fa nanao conférence sy nampitandrina vahoaka betsaka aho hitandrina ny amin'ny resaka franc-maçonnerie sy ny resaka crimes rituels, ary izahay moa dia zanaky ny Fifohazana FLM ka t@ Fiangonanay dia nampitandremako tsy hisy hiakatra any Tanà HERINANDRO mahery talohan'iny grevy iny; ary ny zandriko efa nampitandremako koa. Gaga avokoa ny olona rehefa nifanesisesy ny fisamborana an'i Gangstabab,sns niafara tamin'iny 25 sept iny, fa tena nitombina (fifanandrifian-javatra ve?asa aloha). Ny amin'ilay fasana aloha, dia ekeko ilay hoe fahitana tsy miteny, fa ny azoko heverina dia izao: angamba nanao dedoublement aho ka tafavoaka tany ho any fotsiny, na nofy tsotra!
Eo ilay lazaiko hoe mahabe adihevitra sy mahabe resaka izy ity. Fa amiko manokana dia resy lahatra aho fa misy mistery betsaka ao.
Azrael666 19/11/2025 10:44
Mino aho fa avy amin'Andriamanitra tokoa ireo fahitana ireo, satria amiko dia Izy irery no afaka maneho amiko ny miafina sy ny hoavy. Ohatra vao tsy ela koa ity: nanonofy aho fa very hono ny vady aman-janako, ary nitomany mafy aho, ary nony taitra dia mbola nitomany mafy tokoa. Gaga ny vadiko, ka nanontany, ary notantaraiko azy ny nofiko. Dia hoy izy hoe: nofy ihany izany fa calme dia matoria! Iray volana taorian'izay anefa, dia tanteraka ara-bakiteny ilay nofy, ary very tany anaty ala tamin'iny lalana mankany Marolambo iny izy mianaka (toerana tsisy réseau en plus!), saingy misaotra an'Andriamanitra aho fa nisy nampiantrano ka naterin'olona rehefa maraina. Nampitandrina ve Andriamanitra? Eny, saingy inona no azoko natao? Heveriko fa ny antony nanehoana ahy iny nofy-fahitana iny, dia mba hanangonako herin-tsaina betsaka sy hitokiako aminy tanteraka, satria tsy hahaova ny efa voasoratra aho. Izay no fandraisako sy fahatsapako azy, ary heveriko fa tsy manohitohina ny maha Kristiana ahy.

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0155