Fiaraha-monina tsy mila an'Andriamanitra (Elysé Azrael)
Pejy 1
Heverin'ny olona ankehitriny fa mahamenatra ny mivavaka, ny miditra am-piangonana, eny fa na dia ny manonona hoe Andriamanitra aza. Ny mahagaga anefa dia izao: toa tsy misy olona afaka tanteraka amin'ny fivavahana izany, fa miova endrika kely fotsiny ilay "sentiment réligieux" ao anatiny! Ny psykolojia moa dia miezaka manazava fa ny tahotra ny zava-tsy fantatra (peur de l'inconnu), ny tahotra fahafatesana, ny fikatsahana ny antom-pisiantsika olombelona (quête de sens)... no manosika antsika hivavaka sy hino an'Andriamanitra. Saingy asa aloha izay afa-po amin'izany fanazavana izany, fa izaho manokana tsy afa-po.Rehefa tena dinihina dia hambom-po sy avonavona ihany no betsaka, fa tsy misy olona tsy miantso an'Andriamanitra izany. Ny tena marina dia ny fivavahana Kristiana mihitsy no misy mikasa hanapotika. Raha tena tsy mivavaka tokoa mantsy, dia tsy tokony hitodika amin'ny resaka ara-panahy intsony mihitsy, fa mivadika ho "agnostique" tanteraka.

Hametraka hevitra
Midira aloha