Mora manadino ny Malagasy (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 7
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 1
Ny Filoha teo aloha Didier Ratsiraka no mpiteny an'io teny io. Nahatsapa angamba izy fa hadinon'ny vahoaka ny soa sy ireo asa fampandrosoana maro nataony, matoa nahateny io teny io izy, fa tsy haiko!
Fa ny hitondrako famakafakana dia ny antony mahamora manadino ny Malagasy: FA NAHOANA? INONA NO ANTONY?
-Satria mahantra loatra ny Malagasy: inona moa no iasako loha amin'izay tantaram-pirenena sy politika any kanefa ny hohaniko aza tsy hitako? Mampaninona ahy akory izay Rova may any raha izaho aza matory amoron-dalana sy anaty trano sachet?
-Mora manadino ny Malagasy satria voarebireby loatra gauche/droite: betsaka loatra ny vaovao marina sy tsy marina, be loatra ny "prôpaVANDY", be loatra ny zava-manaitra (tao anatin'ny mandat iray tamin 'ny tetezamita 2009-2014, mandat 2014-2018 Rajaonarimampianina, dia tsy haiko intsony hoe firy ny Praiministra fa tena maro be! Ilay Talen'ny kabinetran'ny fiadidiana ny Repoblika Romy Voos Andrianarisoa dia tratra nanao kolikoly tany Angletera tamin'ny taona 2023!)
7

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2174