MPANAO GAZETY MALAGASY (Elysé Azrael)
Pejy 1
Ny mpanao Gazety dia "leaders d'opinion, influenceurs/ses", ary araka izany dia mitaiza ny sain'ny olona no anisan'ny andraikiny voalohany indrindra. Tsy mitatitra vaovao fotsiny izy, fa sady mamakafaka sy manatsoaka lesona ary manabe sy manatsoaka anatra (ara-moraly, ara-toetsaina, ara-kolontsaina, sns) ny mpanara-baovao.Noho ireo antony ireo dia mila mahafehy zavatra maro ny mpanao Gazety: mahafehy fahalalana ankapobeny maro (droits, économie, communication, sociologie, politique, science, histoire, etc), tsipelin-teny, famakafakan-kevitra, sns.
Nahoana moa aho no miresaka ireo zavatra ireo? Nanjary liam-baovao ny olona tao anatin'izao savorovoro 2025 izao, ary mifanina manangom-baovao be mpanaraka ny mpanao Gazety. Vokatr'izany dia hadino indraindray fa misy adidy sy andraikitra ary vocation ao anatin'ilay asa, indraindray dia "rehefa azon'ialahy ny tian-kambara dia izay no zava-dehibe"! Tsy mpitati-bolana akory ny mpanao Gazety, ary tsy fanaovana kilazalaza ny journalisme. (hitohy)

Hametraka hevitra
Midira aloha