MPANAO GAZETY MALAGASY (Elysé Azrael)
Pejy 2
Izao mantsy: tsy vao indray na indroa no nahitako tsy fitandremana ataon'ny mpanao gazety, ary matetika dia ao amin'ny televiziona no ahitako izany. Ohatra vitsivitsy ireto: "aingana" (haingana no fanoratra), "mpanjinjara" (mpaninjara no izy ry canal+ ô!), sns. Dia mba jereo koa ireny lohatenim-baovao ilay mandeha lavalava eo ambany fahita lavitra, fa dia raofina amin'ny harona ny diso tsipelina.Ankoatra izay dia mba fadio re ny miteniteny foana fa mba manetre tena manaova fikarohana amin'ny google sy ny chatgpt rehefa tsy hay e! Tamin'ny 2017 dia tsaroako tao amin'ny GAZETIKO dia nisy article iray nilaza fa "ny Reformasiona Loterana dia nataon'i Martin Luther KING"! Tena mahatezitra ny zavatra tahaka izany satria samy hafa izany Martin Luther, izay pretra allemand, réformateur protestant (XVIe s), sy Martin Luther King (XIXe s), Pasteur Baptiste Amerikana sady mpitolona "non violent" mainty hoditra, tompon'ilay kabary malaza hoe: "I HAVE A DREAM".
Tsikera kely fotsiny izay saingy inoako fa "CONSTRUCTIF".

Hametraka hevitra
Midira aloha