Noely eny ambanivohitra (Elysé Azrael)
Pejy 1
Mahafinaritra ery ny Noely eny ambanivohitra: vao migadona fotsiny ny Desambra, dia hitanao fa mihamaintso ny zava-maniry isan-karazany, mamony avokoa ny voninkazo dia mareva-doko eny an-tsaha, maneno mbola alina ny kankafotra... Akaiky izay ny Krismasy!...Isan-kariva dia efa raikitra koa ny fianaran-kiran'ny Sekoly Alahady isan-kariva any am-piangonana, fa fetin'ny zazakely hono ny Noely; torak'izany koa ny isan-tanàna fa hampiady hira amin'ny Krismasy alina: asiana hira sy poezy "ARAHABA, HIRA FIHODIDINANA HAZO KRISMASY, VELOMA", sns. Mamerimberina poezy hatrany ny ankizy sao tsy mahay ka mahamenatra, kanefa ilay zazakely mibadabada sy milelalela kely mihitsy no mahafaly sy manapa-tsinay ny olona!!!... Tsaroanao ery ny fahazazanao fa misy hira Krismasy efa nataonao tamin'ny ianao mbola zazakely, nefa mbola ventesin'izy ireo ery!
Tsy maintsy avy foana ny orana rehefa Krismasy alina, kanefa dia mafana hatrany ny fankalazana indrindra fa ny any am-piangonana...

Hametraka hevitra
Midira aloha