Noely eny ambanivohitra (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 153
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 3
Ny saika hadino dia ny fizarana vatomamy na mofo gasy any am-piangonana: henonao ery hoe hay mamy ny vatomamy na ny mofo gasy rehefa Krismasy! Fony izahay mbola kely dia vitanay hatramin'ny mitety Fiangonana maromaro mihitsy hanenjika fizarana ireny fanomezana ireny.
Izaho manokana dia 11 taona teo ho eo aho vao nahafantatra fa tsy misy Dadabe Noely, fa talohan'izay dia ninoako tokoa fa izy no mpitondra ireny bonbons sy cadeaux marobe ireny amin'ny Krismasy! Tiako ery fa na dia nahantrahantra kely aza Dada sy Mama dia mba tsy navelany ho latsa-danja amin'ny ankizy hafa izahay zanany, fa mba niezaka izy ireo hanananay zanany izay mba azon'ny zanak'olona (latsaka ny ranomasoko ankehitriny mandinika izany), indrindra fa ny laoka saosisy avy eny Talata Andraikiba na mamono akoho vaventy! Ary tsy maintsy mahazo akanjo vaovao!...
Tiako ny Noely... Injao ilay vaninandro mamy... E! Ry akon'ny Noely, misy naotim-po voalahatra: ka mianokanoka eo ny tsiahy, izay natopatopan-jahatra...
153

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.047