Noely eny ambanivohitra (Elysé Azrael)
Pejy 2
Nony migadona tokoa ny Krismasy alin'ny 24 Desambra dia misy fihetseham-po manonjanonja sy midobodobo-kafaliana izany ao anatinao! Maneno avokoa ny lakolosim-piangonana Katolika sy Protestanta, ary indreny mitanjozotra ny rehetra hankany am-piangonana na dia mamotaka aza ny lalana...Rehefa tafiditra ao am-piangonana ianao dia mifandimby manakoako ny hira toy ny "Avia ry mino (o! Come ye faithfull), He teraka any Betlehema, Alina masina (silent night, o! Holy night)". Ary ny olona tahaka anay dia lasam-borona ery mamisavisa an' Ilay Andriamanitra tonga nofo mba hanavotra fahizany... Voaravaka girilandy sy jirokely maroloko ny Fiangonana, ary eo afom-piangonana no mibahana ny hazo krismasy, kesika lehibe, izay voahaingo fatratra koa. Feno hipoka ny Fiangonana, fa mba tonga hankalaza ny Noely koa ny mpanao tsidi-pahitra Fiangonana, hatramin'ny jiolahim-boto mitady sipa!...
Tsy mahasakana ny fifalian'ny Noely ny tsy fisiana sy ny sisa, fa tena fety tonga lafatra ny Noely eny ambanivohitra...

Hametraka hevitra
Midira aloha