Ny fanaovana analyse politique (Elysé Azrael)
Pejy 2
Misy "microscope tsy mandainga" mila anaovana, mila ampifandimbiasina ampiasaina, vao mitombina ny analyse politique. Mila hay koa ny tena mampiasa ireny karazana microscope ireny vao milamina ny analyse. Santionany ireto:-Ny Tantara sy Fiaraha-monina: ny tantara dia matetika miverimberina (karma éxiste!). Na tiana na tsy tiana dia mila mahay maka lesona amin'ny tantara mba hakana anatra ny fanaovana analyse politique. Torak'izany koa ny fiaraha-monina: TSY MAINTSY MIVOATRA manaraka ny Tantara ny fiaraha-monina, ka izay tsy maharaka izany fivoarany izany dia diso analyse politique.
-Ny Lalàna: efa mifehy izao tontolo izao ny légitimité sy ny légalité, ka ireo ihany no tsy maintsy tompon'ny teny farany na dia somary mivoaka amin'ireo aza indraindray ny vahoaka sy ny mpanao politique. Ny fahaizana mampiasa ny lalàna sy ny fipetrahana ho "tompon'ny lalàna" dia mampahomby ny analyse politique.
-Ny fahaizana serasera sy fifandraisana: ny mpanao politika dia mpiserasera sy mpisehoseho.

Hametraka hevitra
Midira aloha