Ny fanaovana analyse politique (Elysé Azrael)
Pejy 3
Ny loko politika ohatra dia anisan'ny ampiasain'ny mpanao politika hifaneraserana.-Ny toekarena: rehefa voky ny vahoaka (manana asa, manam-bola, manan-kohanina) dia heveriny fa mahomby ny mpitondra, fa rehefa crise dia heveriny fa ny mpitondra no tsy mampihinan-kanina azy. Mora ny manao analyse politique fa akaiky ny crise politique raha vao mitotongana ny toekarena.
-Ny fahaizana leadership: ny mpanao analyse politique dia mila mahay fa ny mpanao politika na mpitondra izay tsarain'ny vahoaka ho mpanao jadona, vendrana, mpanao kolikoly, mpangala-bato dia tsy maintsy hiongana na ho ela na ho haingana. Tahaka ny valan'aretina ny mpitondra ratsy, ka rehefa tonga amin'ny "pic" dia tsy maintsy mitsontsorika midina.
Hitantsika araka izany fa misy zavatra betsaka mila fakafakaina sy decryptena vao mitombina ny analyse politique. Zavatra tokony ho hain'ny rehetra izy ity raha tena ifotorana tsara. Ampirisihina isika mba hifehy izany.

Hametraka hevitra
Midira aloha