NY FIANDRIANAM-PIRENENA MALAGASY (LA SOUVERAINNNETÉ NATIONALE MALAGASY) (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 7
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 2
Ny Frantsay dia mbola tena manjanaka eto Madagasikara sy aty Afrika, ary ny resaka indépendance sy souverainneté tamin'ny 26 Juin 1960 dia rediredy sy fandrebirebena avo lenta. Tadidio fa "fahaleovan-tena nomena" fa tsy azo tamin'ny tolona io, ary mbola narahina "fepetra mody notankotankomina tamin'ny teny hoe "accord" : Mbola Lalàna t@ andron'i Napoleon Bonaparte no code civil miasa eto, mbola TSY  ADIKA AMIN'NY TENY MALAGASY NY LALÀNA SAO HAIN'NY MALAGASY, mbola bodoin'ny Frantsay avokoa ireo iles éparses fananan'ny Malagasy, mbola misy tribalisme sy olon'ny mpanjanaka betsaka eto, mbola heverina ho ambanin'ny vazaha ny gasy eto Madagasikara, ary mbola ny vazaha daholo no tompon'ny kariera fitrandrahana harena ankibon'ny tany eto AMINTSIKA, sns.
"Madagasikara ho an'ny Malagasy, Malagasy kosa ho an'i Madagasikara": lavitr'ezaka ny tolona ho amin'izany raha tsy isika rehetra no miara-mitolona. MIFOHAZA RY GASY!
7

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0098