Ny réalité eto Madagasikara (Elysé Azrael)
Pejy 1
Tsisy zavatra mandeha amin'izay laoniny eto Madagasikara hatramin'izay ka hatramin'izao. 65 taona katroka izao no hoe nahaleo tena fa tsy hita izay fihatsaran'ny fitondram-panjakana sy ny fiainam-bahoaka. Ny zavatra nisy tamin'ny fanjanahantany dia mbola misy, ary vao mainka aza loza. Vakio ny boky "MITARAINA NY TANY" dia lazao raha tsy mbola misy ankehitriny eto Madagasikara avokoa no ao: fanambaniana ny Malagasy, tsindrio fa lavo, fanararaotana, kolikoly, fanabadoana, fibodoana tanin'olona...Ara-tsosiolojia sy ara-tantara, dia mbola misy tarazo hatramin'izao ny "zarazarao hanjakana": fototra anisan'ny tsy mampandroso antsika hatramin'izao io fampiadiana ny samy Malagasy io, izay ataon'ny mpanao politika "mariônetin'ny frantsay" sy ny mpitondra fivavahana sasantsasany. Rava mantsy ny firaisam-pirenena vokatr'izany, ka mora potehina amin'ny lafiny rehetra ny amintsika. Ny firaisam-pirenena sy ny firaisan-kina araka izany no fanoitra goavana raha tena te handroso tokoa isika.
Hametraka hevitra
Midira aloha