Ampidiro aloha ny tenimiafina
Tantaran'ny Toby Laondany (FLM/SPAM) (Elysé Azrael)
Pejy 1
Raha avy eo Antsirabe ianao no ho any amin'ny Toby Laondany dia tsy maintsy mandalo an'i Tritriva, Manapa, Andrembesoa vao tonga any. Harambato toa tsy hisy farany, tanety ngazana sy efitra dezaka: izany no tsy maintsy vakianao mandritra ny iray andro maninjitra. Ary rehefa tonga any ianao dia olona mivimbin-defona, basy vita gasy, tehina, sabatra no mivezivezy mifanena aminao eny an-dalana! Tongasoa ao Laondany ianao, ary tsisy "réseau" intsony ny findainao amin'izay.Tamin'izany toerana tsy mahatamana izany no namohazan'i Jesosy an'i Dadatoa Rasolofosaonina. Tamin'ny taona 2016 vao nekena sy natokana ho Toby zanaky ny Tobilehibe Farihimena, rehefa nozahana toetra nandritra ny taona maro ny Toby Laondany. Marihina fa tsy maintsy tanterahina ny fizahana toetra ny Fanahy miasa amin'ireny olona misy fihetseham-panahy mahery vaika ireny sao sanatria ka "fanahy mamitaka". Rehefa hitan'ny Fiangonana fa tena Fanahin'i Jesosy Kristy tokoa no nampifoha an-dRasolofosaonina, dia nekena ny maha Toby masina azy.

Hametraka hevitra
Midira aloha