Tantaran'ny Toby Laondany (FLM/SPAM) (Elysé Azrael)
Pejy 2
Dadatoa Rasolofosaonina dia olona teraka tany amin'ny faramparan'ny taona enim-polo tany ho any, ary maty tamin'ny taona 2019. Ara-bakiteny avokoa ny maha-mpaminanin'Andriamanitra azy, fa tena nampahiratra jamba tao Ampanivana (C/R MANAPA), mahay mamaky ny ao an'eritreritra, mifanandrina an-tanam-polo amin'ny dahalo mirongo fiadiana ka mampandositra azy ireo amin'ny anaran'i Jesosy,sns. Ampahany ihany ireo fa raha mianantsimo an'i Tritriva sy ny faritra Bemaha sy ny faritr'i Manapa ianao dia ho gaga, fa tsy misy faritra tsy voatetin'i Dadatoa Rasolofosaonina sy ireo Mpiandry manara-dia azy, ka tsy nampibebahiny sy nanaovany fahagagana lehibe tamin'ireo faritra ireo.Ny zanaky ny fifohazana ankehitriny aty Vakinankaratra dia resy lahatra avokoa fa tena mpaminany masina i Dadatoa, ka isaky ny andron'ny Toby Laondany, isaky ny faran'ny Volana Jona dia manao fivahinianana masina any. Ary raha mankany Laondany ianao dia ho gaga raha handre olona maro hijoro vavolombelona tamin'ny asa nataon'io mpanompony io.

Hametraka hevitra
Midira aloha