Tantaran'ny Toby Laondany (FLM/SPAM) (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 7
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 3
Farany, dia mahafaly fa tsy mitsahatra miredareda ny afom-pifohazana avy ao Laondany, fa miely patrana tokoa. Ankehitriny dia misy fihetsiketsehana mampitolagaga koa amin'ny Toby Tanambao Fileovana Ambohimanambola tarihin'i Dada Fana, sy Toby Ambohitrimanjato Fileovana Ambohimanambola tarihin'i Dada Riri, ary Zoky Mamy ao amin'ny Toby Vatotsara (izay sady Dokotera ao amin'ny Hopitaly Loterana Andranomadio Antsirabe), synoda SPAM avokoa ireo. Izy telo mirahalahy ireo dia samy manana fanomezam-pahasoavana maminany avokoa. Torak'izany koa i Mamatoa Georgette vady navelan'i Dadatoa dia mpaminanivavy ao Laondany mandraka ankehitriny.
Mitady hirona amin'ny fahajentilisana sy ny fahalovana ary amin'ny torimasom-panahy isika Fiangonana Kristiana ankehitriny, ka tairin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fihetsiketseham-panahy mahery vaikan'ny fifohazana. Mila miaina sy mamantatra ny "zava-miafin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra" (II Tim 3:16) isika, mba tsy hahavery ny famonjena efa azo maimaim-poana ho antsika. AMEN
7

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0079