TSIAHY SY TADIDY GEN Z (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 62
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 1
GENERATION Z Zokiny aho, ka tsiahiviko ho tantara eto ny lasa tamin'ny zava-nisy teto Madagasikara natrehiko. Natrehiko avokoa ny korontana teto Madagasikara hatramin'ny 2002, 2009 ary 2025. Ny zavatra hitako dia izao:
-Voalohany, tsy tany demokratika velively Madagasikara. Tsy mahay mihaino madinika avokoa ny mpitondra Malagasy; sady tsy misy manaja ny Zo fototra, indrindra ny fahalalahana maneho hevitra. Nanagadra mpaneho hevitra daholo na Tsiranana (1972) na Ratsiraka (1991 sy 2002) na Ravalomanana (2009) na Rajoelina (2025).
-Faharoa, dia tsy vahoaka Kristiana velively ny vahoaka Malagasy! Ny Kristiana dia tsy mandroba sy mangalatra, mivavabava-poana ny ankamaroany! Satanista no betsaka eto matoa lian-dra hatao sorona eny amin'ny Kianjan'ny 13 May.
-Fahatelo, "Mora manadino ny vahoaka Malagasy", hoy Ratsiraka izay, ary teo ampialàna aina izy dia niteny koa hoe: "Fohazy aho rehefa mandroso Madagasikara".
62

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0588