TSIAHY SY TADIDY GEN Z (Elysé Azrael)
Pejy 3
Ny fanaovana tsinontsinona ny fampianarana Tantara eto Madagasikara, ny famotsifotsiana ny fivavahana Kristiana, ny fanabadoana ny tanora Malagasy: ireo no animban'ny Satanista sy ny Mpanjanaka antsika, ary ny tanora no lasibatra amin'izany!Raha sendra misy pitim-pitiavan-tanindrazana ihany isika, indrindra fa isika Ray aman-dreny, raha mba te hanana taranaka Malagasy vanona sy miadana hoatry ny any andafy isika, taranaka tsy ho matimaty fahatany tahaka ny fatim-biby, taranaka tsy sambon-tsamborim-poana tahaka ny mihaza alika, taranaka tsy misy atidoha ataon'ny sasany ho tohatra fiakarana, dia ampianaro Sekoly Alahady izy ireo hatahotra an'Andriamanitra, avereno ny takariva amorom-patana ka ampitao ny fahendren'ny razantsika sy ny Tantara, ary ampahafantaro azy ireo fa ny fisafidianana hanao ny ratsy dia maha ratsy fiafara, fa misafidiana ny tsara, fa MIJERY MIDINA ANDRIAMANITRA, KA MAMALY NY TSARA SY NY RATSY ARAKA NY ASANY AVY! AMENA.
Hametraka hevitra
Midira aloha